Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 17:6 - DIEM PROTESTANTA

6 ka tsy hisy amin’ny taranak’i Jakôba afa-tsy sombintsombiny sisa hotsimponina. Ary ho tahaka ny fanintsanana voan’ôliva izany, ka voany roa na telo no sisa eny an-tendrony, efatra na dimy eny amin’ny rantsany mahavokatra. Izany no teny hentitry ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Kanefa hisy sisa hotsimponina ihany izy, tahaka ny amin’ny fikapohana ny hazo oliva, hisy voany roa na telo eny an-tendrony ambony indrindra, efatra na dimy eny amin’ny rantsan’ny hazo mahavokatra, hoy NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 ka tsy hisy amin’ny taranak’i Jakôba afa-tsy sombintsombiny sisa hotsimponina. Ary ho tahaka ny fanintsanana voan’ôliva izany, ka voany roa na telo no sisa eny an-tendrony, efatra na dimy eny amin’ny rantsany mahavokatra. Izany no teny hentitry ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Mbola hisy hotsimponina ihany izy, toy ny raha manozongozona ny hazo ôliva misy ôliva roa na telo eny an-tendrony indrindra, misy efatra na dimy eny amin’ny rantsan’ny hazo, - teny ton’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Kanefa hisy sisa hotsimponina ihany izy tahaka ny amin’ny fikapohana ny hazo oliva: Hisy voany roa na telo ao an-tendrony ambony indrindra, Efatra na dimy ao amin’ny rantsan’ny hazo mahavokatra, Hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Kanefa hisy sisa hotsimponina ihany izy tahaka ny amin'ny fikapohana ny hazo oliva: Hisy voany roa na telo ao an-tendrony ambony indrindra, efatra na dimy ao amin'ny rantsan'ny hazo mahavokatra, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 17:6
16 Rohy Ifampitohizana  

Nefa hamelako fito arivo lahy ihany amin’i Israely, dia izay rehetra tsy mba nandohalika tamin’ny andriamanitra Bahala sady tsy nanoroka ny sarivongany.


Raha tsy navelan’ny TOMPOn’izao rehetra izao hisy olona vitsivitsy velona aina tamintsika, dia ho efa tonga tahaka an’i Sôdôma sy ho nitovy tamin’i Gômôra isika.


Kanefa na dia marobe toy ny fasika eny amoron-dranomasina aza ny vahoakanao, ry Israely, dia io sisa io ihany no hiverina amin’ny Tompo. Efa voatendry ny fandravana, izay hampihanaka ny fahamarinana.


Ny eto ambonin’ny tany sy eo anivon’ireo firenena dia ho tahaka ny ôliva avy nahintsana sy ho tahaka ny voaloboka avy notazana ka tsy ahitana zavatra firy intsony.


Amin’izany andro izany, dia hovelesin’ny TOMPO ireo salohim-bary voajinja manomboka eo amin’ny ony Eofrata ka hatrany amin’ny ranon-driakan’i Ejipta. Amin’izay ianareo, ry Israelita, dia samy hotsimponina tsirairay.


Izao no lazain’ny TOMPO: «Ho lao ny tany manontolo nefa tsy hofoanako avokoa.


Ny Fanahiko no hatosako amin’ny Israelita, ka tsy hiafenako tava intsony ireo; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


Raha misy mpangalatra na mpandroba tonga alina ao aminao, moa tsy hindaosiny avokoa ve izay zavatra azony entina? Indrisy fa fongotra ianao! Raha misy mpioty voaloboka tonga eo aminao, moa tsy voaloboka hotsimponina ve no havelany?


Indrisy, tahaka ny olona mioty aviavy aorian’ny fiotazam-boankazo aho ka tsy mahita aviavy masaka ifotony izay ankafiziko tokoa; ary tahaka ny olona mitsimpona sampaho aorian’ny fiotazam-boaloboka aho, ka tsy mahita voaloboka firy hohanina!


Toy izany no hahavonjy an’i Israely manontolo araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Hiainga avy ao Tsiôna ny mpanafaka, dia hanala ny haratsiam-panahy amin’ny taranak’i Jakôba.


Ary i Isaià mpaminany dia miantsoantso ny amin’i Israely hoe: «Na dia mifanisa amin’ny fasika eny amoron-dranomasina aza ny Israelita, dia izay hany sisa tavela tamin’izy ireo ihany no hovonjena;


Haelin’ny TOMPO any amin’ny firenen-tsamy hafa ianareo; ho tonga olom-bitsy izay sisa aminareo any amin’ny firenen-tsamy hafa izay hitondran’ny TOMPO anareo.


Fa namaly azy i Gidehôna ka nanao hoe: –Inona moa izay nataoko raha mitaha amin’ny zava-bitanareo? Moa tsy ny firotsahanareo Efraîmita na dia teo amin’ny sehatra kely aza ve no tsara lavitra noho ny nataon’ny tarika abihezerita fiaviako?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra