Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 1:30 - DIEM PROTESTANTA

30 Fa ho tahaka ireo hazo terebinta mihintsan-dravina ianareo sy ho tahaka ireo toerana tsy misy rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

30 Fa ho tahaka ny hazo terebinta malazo ravina ianareo sady ho tahaka ny saha tsy misy rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

30 Fa ho tahaka ireo hazo terebinta mihintsan-dravina ianareo sy ho tahaka ireo toerana tsy misy rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

30 Satria ho tahaka ny terebinta nalazo ravina ianareo, ary tahaka ny zaridaina tsy misy rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

30 Fa ho tahaka ny hazo terebinta malazo ravina hianareo, Sy ho tahaka ny saha tsy misy rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

30 Fa ho tahaka ny hazo terebinta malazo ravina ianareo, Sy ho tahaka ny saha tsy misy rano.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 1:30
11 Rohy Ifampitohizana  

Ary i Abrama namakivaky ny tany hatrany amin’ny hazo ôakan’i Môre, any Sekema. Ny Kanahanita no nipetraka tamin’iny faritra iny tamin’izany.


Hataoko tany lava volo ilay voaloboko ka tsy hisy hanety sy hiava azy intsony, fa tsilo sy songosongo no hitsiry eo; ary horarako mafy ny rahona tsy handatsaka ranonorana aminy.»


Hitari-dalana anao hatrany ny TOMPO; na dia ao amin’ny tany karakaina aza ianao, dia hovokisany hanina sy hampahatanjahiny. Hanjary mahate hijery toy ny saha vonton-drano ianao na toy ny loharano miboiboika tsy mety ritra.


Samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-dra ny asa soa rehetra mba vitanay. Paohin’ny helokay izahay rehetra toy ny ravin-kazo maina paohin’ny tadio.


Tsy nisy niantso ny anaranao intsony na nahatsiaro hifikitra aminao, satria nandà ny hijery anay Ianao ary namela anay handevozin’ny helokay.


Ho avy ireo ka hanao horakora-pifaliana ao amin’ny havoanan’i Tsiôna; ho miramirana endrika izy amin’ny zava-tsoa homen’ny TOMPO: dia ny vary sy divay vaovao ary diloilo, mbamin’ny ondry sy osy ary omby. Ho velombelona toy ny saha vonton-drano izy ka tsy mba hihamalazo intsony.


Amin’izay dia ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho no TOMPO. Kapaiko ny hazo avo loatra ary ampaniriko ny kely indrindra. Hataoko maina ny hazo maitso milenodenoka, ka homeko aina indray ireo hazo efa maina. Izaho TOMPO no manambara sady manatanteraka izany.»


Nahatazana aviavy anankiray teo amoron-dalana Izy, dia lasa nankeo; kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy afa-tsy raviny fotsiny. Dia hoy i Jesoa tamin’ilay aviavy: –Tsy hamoa intsony ianao na oviana na oviana! Ary vetivety foana dia maina ilay aviavy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra