Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Hebreo 8:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Ny mpisorombe rehetra dia tendrena mba hanolotra fanatitra sy sorona; ka dia tsy maintsy hanan-katolotra koa ilay Mpisorombentsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Fa ny Mpisoronabe rehetra dia tendrena hanolotra fanomezana sy fanatitra; ary amin’izany dia tsy maintsy mba manan-katolotra koa Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Ny mpisorombe rehetra dia tendrena mba hanolotra fanatitra sy sorona; ka dia tsy maintsy hanan-katolotra koa ilay Mpisorombentsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Satria ny mpisorom-be rehetra, dia tendrena mba hanolotra fanatitra sy sorona, ka tsy maintsy mba manan-katolotra koa Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Fa ny mpisoronabe rehetra dia tendrena hanatitra fanomezana sy fanatitra; ary amin’izany dia tsy maintsy mba manan-katerina koa Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Fa ny mpisoronabe rehetra dia tendrena hanatitra fanomezana sy fanatitra; ary amin'izany dia tsy maintsy mba manan-katerina koa Izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Hebreo 8:3
14 Rohy Ifampitohizana  

Izaho no mofo antoky ny fiainana, dia ilay mofo nidina avy tany an-danitra: raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny tenako mba hahavelona aina an’izao tontolo izao!


Fa natolotra ho faty noho ny fahotantsika i Jesoa ary natsangana ho velona mba hahatonga antsika ho olo-marina eo imason’Andriamanitra.


Mbola tsy nanan-kery isika no tonga ny fotoanandro voatendrin’Andriamanitra, ka maty hamonjy ny ratsy fanahy i Kristy.


Fa i Kristy kosa maty hamonjy antsika, fony isika mbola mpanota: nahariharin’Andriamanitra tamin’izany ny fitiavany antsika.


ary tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato anatiko. Koa izao ahavelomako ankehitriny amin’ny fiaina-mandalo izao, dia ivelomako amin’ny finoana niainan’ilay Zanak’Andriamanitra, Ilay efa tia ahy sy nanolo-tena hamonjy ahy:


Ny fitiavana no aoka hanenika ny fitondrantenanareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy antsika sy nanolorany tena tamin’Andriamanitra toy ny fanatitra sy sorona manitra mamerovero ho fanasoavana antsika.


I Jesoa Kristy dia nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ratsy rehetra ka hahatonga antsika ho vahoaka voadio, natao ho Azy tokoa sy hazoto hanatontosa asa tsara.


Koa amin’ny zavatra rehetra dia tsy maintsy tahaka ireo zandriny Izy, ka ho tonga Mpisorombe mamindra fo sy mahatoky eo amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra, mba hanonitra ny heloky ny vahoaka.


Koa amin’izany, ry havana, efa voatokana ho an’Andriamanitra ianareo sady efa voaantsony hiombon’anjara amin’ny fiainana any an-danitra, ka diniho i Jesoa ilay irak’Andriamanitra sady Mpisorombe antoky ny finoana izay ekentsika.


Fa ny mpisorombe rehetra dia alaina amin’ny olona, ka tendrena ho solotenan’ny olona eo amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Natao hanolotra fanatitra izy ary koa natao hanolotra sorona ho fanalana ny fahotana.


Tsy mba tahaka ireo mpisorombe hafa Izy, ka tsy mila hanolotra sorona isan’andro ho fanalana ny fahotan’ny tenany aloha, vao ny an’ny vahoaka. Indray mandeha monja no nanoloran’i Jesoa sorona, dia tamin’ny nanolorany ny tenany.


Raha etỳ an-tany Izy, dia tsy ho mpisorona akory, fa efa misy rahateo ireo mpisorona manolotra fanatitra araka ny lalàna jiosy.


vao mainka ny ran’i Kristy no hanadio ny fieritreretantsika; fa tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izay velona mandrakizay no nanoloran’i Kristy ny tenany ho sorona tsy manan-tsiny ho an’Andriamanitra; ka ny rany dia manadio ny fieritreretantsika ho afaka amin’ireo asa mitondra fahafatesana, mba hanompoantsika an’ilay Andriamanitra velona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra