Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Hebreo 7:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Ireo mpisorona avy amin’ny taranak’i Levỳ no mahazo didy, araka ny lalàna, handray ny ampahafolon-karena amin’ny vahoaka Israely, izany hoe amin’ny mpiray firenena aminy, izay terak’i Abrahama ihany koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Ary izay avy tamin’ny taranak’i Levy ka mandray ny fisoronana no mahazo teny haka ny fahafolonkarena amin’ny olona araka ny lalàna, dia amin’ny rahalahiny izany, na dia teraky ny kibon’i Abrahama aza ireny;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Ireo mpisorona avy amin’ny taranak’i Levỳ no mahazo didy, araka ny lalàna, handray ny ampahafolon-karena amin’ny vahoaka Israely, izany hoe amin’ny mpiray firenena aminy, izay terak’i Abrahama ihany koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Nefa, araka ny Lalàna, dia ny taranak’i Levi izay mandray ny fisoronana ihany no mahazo teny handray ny ampahafolon-karena amin’ny vahoaka, izany hoe amin’ny rahalahiny, izay terak’i Abrahama koa;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary izay avy tamin’ny taranak’i Levy ka mandray ny fisoronana no mahazo teny haka ny fahafolon-karena amin’ny olona araka ny lalàna, dia amin’ny rahalahiny izany, na dia teraky ny kibon’i Abrahama aza ireny;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary izay avy tamin'ny taranak'i Levy ka mandray ny fisoronana no mahazo teny haka ny fahafolon-karena amin'ny olona araka ny lalàna, dia amin'ny rahalahiny izany, na dia teraky ny kibon'i Abrahama aza ireny;

Jereo ny toko dika mitovy




Hebreo 7:5
15 Rohy Ifampitohizana  

sady hoy koa Izy taminy: –Izaho no Andriamanitra Tsitoha. Mihamaroa sy mitomboa, ka hisy firenena sy vondrom-pirenena hipoitra avy aminao ary mpanjaka maro avy amin’ny taranakao.


Ny isan’ny ankohonan’i Jakôba rehetra, izany hoe ireo taranany mivantana izay tonga tany Ejipta, dia 66 ankoatra ireo vinantovaviny.


saingy tsy ianao no hanorina izany, fa ny zanakao lahy haterakao. Izy no hanorina tempoly ho voninahitro.»


Reko ihany koa fa tsy voaloa ny fiveloman’ny levita; ka dia samy efa nandositra ho any an-tsahany avy ireo levita, toy izay hanao ny raharaha fanompoany. Toy izany koa no nihatra tamin’ny mpihira.


Miisa fitopolo izy rehetra taranak’i Jakôba, fa i Jôsefa dia efa tany Ejipta rahateo.


«Ry Mosesy, ampanatòny ho eo akaikinao i Aharôna rahalahinao sy ny zanany efa-dahy, dia i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara. Avaho amin’ny Israelita ireo mba hanompo Ahy amin’ny fisoronana.


Fa ianao sy ny taranakao kosa dia hanatanteraka ny fisoronanareo eo amin’ny alitara sy ao amin’ny Toeramasina Indrindra, ao ambadiky ny efitra lamba. Izaho no hanome anareo maimaimpoana izany asa fisoronana izany; raha misy olon-kafa manakaiky eo dia tsy maintsy maty izy.


Isaky ny telo taona no fanangonana ny fahafolon-karena. Ka rehefa tapitra voaavakareo ny fahafolon-karena rehetra avy amin’ny vokatrareo, dia omeo ny Levita sy ny vahiny ary ny kamboty sy ny mpitondratena izany mba hananany hanin-kahavoky azy ao an-tanànanareo;


Ary tsy misy maka izany voninahitra maha mpisorombe izany ho an’ny tenany, afa-tsy izay voaantson’Andriamanitra tahaka an’i Aharôna.


Fa na dia tsy mbola nateraka akory aza i Levỳ tamin’izay, dia efa tao amin’io razambeny io ihany raha nitsena an’i Abrahama i Melkitsedeka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra