Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Hebreo 7:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Tsy misy izay ahafantarana ny rain’i Melkitsedeka, na ny reniny, na izay tantaran-drazany ary tsy voalaza ny andro niandohany na ny fiafaran’ny fiainany; fa dia mitovy amin’ilay Zanak’Andriamanitra izy, ka mitoetra ho mpisorona mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Izy dia tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana andro niandohana na fiafaran’ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak’Andriamanitra ary mitoetra ho mpisorona mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Tsy misy izay ahafantarana ny rain’i Melkitsedeka, na ny reniny, na izay tantaran-drazany ary tsy voalaza ny andro niandohany na ny fiafaran’ny fiainany; fa dia mitovy amin’ilay Zanak’Andriamanitra izy, ka mitoetra ho mpisorona mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 tsy ray tsy reny azy, tsy nanana tantaram-pirazanana izy, tsy voalaza andro niandohana na niafaram-piainana - ka nampitovina tamin’ny Zanak’Andriamanitra, dia mitoetra ho mpisorona mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan’andro na faran’ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak’Andriamanitra),–izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan'andro na faran'ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak'Andriamanitra),- izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva.

Jereo ny toko dika mitovy




Hebreo 7:3
11 Rohy Ifampitohizana  

Ny zanakalahin’i Kehata dia i Hamrama, i Jitsehara, i Hebrôna ary i Hoziela. Naharitra telo amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Kehata.


ka novoriny ny fiangonana manontolo tamin’ny andro voalohan’ny volana faharoa, dia nosoratany ny anaran’ny lehilahy israelita rehetra feno roapolo taona no ho miakatra araka ny fianakaviany sy ny fokony avy,


ary nohatonin’ny mpaka fanahy Izy ka nataony hoe: –Raha Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao, teneno ireo vato ireo hanjary mofo.


Aoka àry hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika, satria isika manana Mpisorombe tsy anoharana Izay lasa namakivaky ny lanitra, dia i Jesoa ilay Zanak’Andriamanitra.


Io Melkitsedeka io dia mpanjakan’i Salema ary mpisoron’ilay Andriamanitra avo indrindra. Fony i Abrahama niverina avy nandresy mpanjaka maro, dia i Melkitsedeka no nitsena azy sy nitsodrano azy;


satria izy no ijoroana ho vavolombelona hoe: «Ianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fomban’i Melkitsedeka.»


i Abrahama kosa nanome an’i Melkitsedeka ny ampahafolon’izay nananany rehetra. Ny hoe Melkitsedeka aloha dia midika ho «mpanjaka tia rariny»; ary izy koa dia mpanjakan’i Salema, izany hoe «Mpanjaka mitondra fiadanana.»


Tsy mba taranak’i Levỳ i Melkitsedeka; nefa nandray ny ampahafolon-karen’i Abrahama izy ary dia nitsodrano an’ilay nahazo ny fampanantenàn’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra