Hebreo 3:1 - DIEM PROTESTANTA1 Koa amin’izany, ry havana, efa voatokana ho an’Andriamanitra ianareo sady efa voaantsony hiombon’anjara amin’ny fiainana any an-danitra, ka diniho i Jesoa ilay irak’Andriamanitra sady Mpisorombe antoky ny finoana izay ekentsika. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20111 Koa amin’izany, ry rahalahy masina, mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra, diniho tsara ny Apostoly sy ny Mpisoronabe izay ekentsika, dia Jesosy Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara1 Koa amin’izany, ry havana, efa voatokana ho an’Andriamanitra ianareo sady efa voaantsony hiombon’anjara amin’ny fiainana any an-danitra, ka diniho i Jesoa ilay irak’Andriamanitra sady Mpisorombe antoky ny finoana izay ekentsika. Jereo ny tokoBaiboly Katolika1 Koa amin’izany, ry havana masina, mpiombona amin’ny fiantsoana ho any an-danitra, diniho ilay Apôstôly sy ny mpisorom-ben’ny finoana arahintsika, dia i Jesoa, Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy1 KOA amin’izany, ry rahalahy masina, mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra, hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe Izay ekentsika, dia Jesosy, Jereo ny tokoMalagasy Bible1 Koa amin'izany, ry rahalahy masina, mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra, hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe Izay ekentsika, dia Jesosy, Jereo ny toko |
Ny vahoaka Israely dia toy ny hazo ôliva voakolokolo, izay nanesorana rantsana sasantsasany. Fa ianao hafa firenena kosa dia toy ny rantsan’ny hazo ôliva dia, izay natao grefy amin’ny hazo ôliva voakolokolo, ho solon’ireo rantsana nesorina ireo; ary manjary iombonanao ilay fototra feno tsiron-tany ao amin’ny hazo ôliva voakolokolo.
Misy vidiny tokoa izao asa fanasoavana izao, ka maro no hanome voninahitra an’Andriamanitra noho ny fanoavana anehoanareo fa inoanareo ny Vaovao Mahafaly nentin’i Kristy; maro koa no hanome voninahitra an’Andriamanitra noho ianareo nahafoy be nizara harena tamin-dry zareo any Jodea sy tamin’ny olona rehetra.
Ary noho izany, dia mpanalalana amina Fanekempihavanana Vaovao i Kristy, mba hahazoan’ireo voaantson’Andriamanitra ny lova mandrakizay efa nampanantenainy ho an’ny vahoakany. Tanteraka izany rehefa niharan’ny fahafatesana i Kristy mba hanavotra ny olona amin’ny fahotana vitany tamin’ny andron’ilay Fanekempihavanana voalohany.