Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Hebreo 1:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Sady izao no voalazan’Andriamanitra momba ny anjely: «Andriamanitra dia nanao ny anjeliny ho rivotra ary ny mpanompony ho lelafo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ary ny anjely dia ilazany hoe: «Manao ny anjeliny ho rivotra Izy ary ny mpanompony ho lelafo» (Sal 104.4).

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Sady izao no voalazan’Andriamanitra momba ny anjely: «Andriamanitra dia nanao ny anjeliny ho rivotra ary ny mpanompony ho lelafo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Ny Anjely lazainy hoe: Nanao ny Anjeliny ho rivotra Izy, ary ny mpanompony ho lelafo;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary ny anjely dia ilazany hoe: ,,Izy manao ny anjeliny ho rivotra, Ary ny mpanompony ho lelafo’’ (Sal. 104.4).

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary ny anjely dia ilazany hoe: "Izy manao ny anjeliny ho rivotra, Ary ny mpanompony ho lelafo" (Sal.104. 4).

Jereo ny toko dika mitovy




Hebreo 1:7
10 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa avy nandroaka ny olombelona Izy, dia nametraka teo atsinanan’ny zaridaina ireo kerobima, izay mitondra sabatra misy lelafo midedadeda mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.


Ary hoy indray i Mikaià: –Henoy àry ny tenin’ny TOMPO: Hitako nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany manko ny TOMPO; ary ireo anjeliny marobe any an-danitra nijoro teo ankavanany sy teo ankaviany.


Ary raha mbola nanohy dia sy niresaka iny izy mianaka, dia indro nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy mianaka; ary i Elià dia nakarina tao anaty tadio ho any ana habakabaka any.


Avy eo i Elisà dia nivavaka hoe: –TOMPO ô, sokafy re ny mason’ity mpanompoko ity mba hahitany. Dia nosokafan’ny TOMPO ny mason’ilay mpanompo ka hitany ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an’i Elisà.


nataonao haingam-pandeha toy ny rivotra ny anjelinao, nataonao mirehidrehitra toy ny tselatra ny mpanomponao.


Nisy serafima nitsangana teo amboniny, izay samy manana elatra enina avy: ka ny roa nanakonany endrika, ny roa nanakonany vatana, ary ny roa nanidinany.


Ony afo no nipoitra sy nikoriana avy teo anatrehany. An-tapitrisa ireo nanompo azy ary an-jato tapitrisa no nitsangana teo anatrehany. Dia nipetraka ireo mpitsara ary nosokafana ny boky.


Dia hoy izy namaly ahy: –Ireo kalesy efatra ireo dia hiroso ho any amin’ny vazan-tany efatra rehefa avy niseho teo anatrehan’ilay Tompon’ny tany tontolo.


Fa inona moa ny anjely? Fanahy manompo an’Andriamanitra izy rehetra, ka irahiny mba hanasoa ireo olona natao handray famonjena.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra