Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 49:31 - DIEM PROTESTANTA

31 Tao no nalevina i Abrahama sy i Sarà vadiny, i Itsehàka sy i Rebekà vadiny, ary tao koa no nandevenako an’i Leà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

31 Tao no nandevenana an’i Abrahama sy i Saraha vadiny; tao koa no nandevenana an’Isaka sy i Rebeka vadiny; tao koa no nandevenako an’i Lea.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

31 Tao no nalevina i Abrahama sy i Sarà vadiny, i Itsehàka sy i Rebekà vadiny, ary tao koa no nandevenako an’i Leà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

31 Tao no nandevenana an’i Abrahama sy i Sarà vadiny. Tao no nandevenana an’i Isaaka sy i Rebekà vadiny. Ary tao no nandevenako an’i Lià.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

31 Tao no nandevenany an’i Abrahama sy Saraha vadiny; ary tao koa no nandevenany an’Isaka sy Rebeka vadiny; ary tao koa no nandevenako an’i Lea,–

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

31 Tao no nandevenany an'i Abrahama sy Saraha vadiny; ary tao koa no nandevenany an'Isaka sy Rebeka vadiny; ary tao koa no nandevenako an'i Lea,

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 49:31
10 Rohy Ifampitohizana  

Dia nitsangana niala teo amin’ny faty izy ary lasa niteny tamin’ny terak’i Heta hoe:


Novidîn’i Abrahama tamin’ny taranak’i Heta io saha io, ary tao no nandevenana an’i Abrahama sy i Sarà vadiny.


I Itsehàka sy i Jismahela zanany no nandevina azy tao amin’ny lava-baton’i Makpelà, ao amin’ny sahan’i Hefrôna zanakalahin’i Tsôhara izay Hetita, dia ilay saha ao akaikin’i Mamre.


Nanana zanakavavy roa anefa i Labàna; ilay zokiny dia nantsoina hoe Leà ary ilay zandriny natao hoe Rahely.


no niala aina izy ka maty; ary efa tratra antitra izy vao nakambana tamin’ny razany. I Hesao sy i Jakôba zanany no nandevina azy.


Rehefa maty aho, dia ento hiala aty Ejipta ka aleveno any am-pasan-drazako. Ka hoy i Jôsefa hoe: –Hotanterahiko araka ny teninao izany.


Ny saha sy ny zohy ao aminy dia novidîna tamin’ny Hetita.


Nentiny nankany amin’ny tany Kanahàna ny fatin-drainy ary naleviny tao amin’ny zohy tao an-tsahan’i Makpelà, teo akaikin’i Mamre. Fa novidîn’i Abrahama tamin’i Hefrôna izay hetita io saha io mba ho tany fandevenana.


Dia nafindra ho any Sekema ny taolam-balon’ireo, ka nalevina tao amin’ny fasana novidin’i Abrahama vola tamin’ny taranak’i Hemôra tany Sekema.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra