Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 42:24 - DIEM PROTESTANTA

24 Dia nihodina niala teo anatrehany aloha i Jôsefa mba hitomany. Ary niverina teo amin’ireto rahalahiny indray i Jôsefa ka nilaza taminy fa i Simehôna no hotazoniny, sady nafatony teo imason’izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Dia nihodina niala teo i Josefa ka nitomany. Avy eo, niverina nankeo indray izy ka niresaka tamin’izy ireo, dia naka an’i Simeona teo aminy izy ka namatotra azy teo imasony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Dia nihodina niala teo anatrehany aloha i Jôsefa mba hitomany. Ary niverina teo amin’ireto rahalahiny indray i Jôsefa ka nilaza taminy fa i Simehôna no hotazoniny, sady nafatony teo imason’izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 Ka nihataka niala teo amin’izy ireo izy, dia nitomany. Nony niverina nankeo amin’izy ireo izy dia niteny taminy, sy naka an’i Simeôna tamin’izy ireo ary nampamatotra azy teo imasony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Ary Josefa dia nihodina niala teo aminy ka nitomany; ary niverina nankeo aminy indray izy ka niteny taminy, ary dia naka an’i Simeona teo aminy izy ka namatotra azy teo imasony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Ary Josefa dia nihodina niala teo aminy ka nitomany; ary niverina nankeo aminy indray izy ka niteny taminy, ary dia naka an'i Simeona teo aminy izy ka namatotra azy teo imasony.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 42:24
15 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny andro fahatelo taorian’izany, raha mbola nararim-pery mafy iny ireo lehilahy ireo, dia nandray sabatra ny zanakalahin’i Jakôba, dia i Simehôna sy i Levỳ anadahin’i Dinà, ka niditra an-tsokosoko tao an-tanàna, ary nandringana ny lehilahy rehetra tao;


Tsy nampoizin’ireo hoe fantatr’i Jôsefa ny teniny, satria mpandika teny no niresahany taminy.


Andriamanitra Tsitoha anie hahatonga azy hamindra fo aminareo ka hamela an’i Benjamîna sy i Simehôna hiverina hiaraka aminareo! Fa izao dia tsy hombàn-janaka aho tahaka ny tsy nanan-janaka mihitsy.


Ka hoy ny navalin-dralehilahy azy: –Milamîna ianareo, ary aza matahotra. Ny Andriamanitrareo, dia Ilay Andriamanitry ny rainareo, no nametraka harena tao an-kitaponareo; fa raha ny amin’ny volanareo dia efa voaraiko tokoa. Dia navoakan-dralehilahy i Simehôna,


Feno loatra ny fon’i Jôsefa nahita ity zandriny ka nitady hitomany izy; dia niala faingana teo izy ka niditra tao amin’ny efitranony ary nitomany tao.


Ary tsy nahatsindry ny fihetseham-pony teo imason’ny olona rehetra nanodidina azy intsony i Jôsefa; dia nasainy nivoaka ny trano izy rehetra. Koa tsy nisy olon-kafa teo amin’i Jôsefa fony izy nampahafantatra ny tenany tamin’ireo rahalahiny.


Mafy loatra anefa ny tomanin’i Jôsefa ka ren’ny Ejiptianina maro, ary heno hatrany an-dapan’ny Farao.


tamin’ny fahoriana rehetra nanjo azy. Tsy solotena na anjely no namonjy azy fa ny tenan’ny Tompo mihitsy. Ny fitiavany sy indrafony no nanavotany azy, ka nivimbinany azy sy nitondrany azy nandritra ny androny rehetra fahiny.


Ary nanakaiky an’i Jerosalema hatrany i Jesoa ka nony nahatazana ny tanàna, dia nitomany azy


Miaraha mifaly amin’izay mifaly, miaraha mitomany amin’izay mitomany.


Koa raha mijaly ny zavatra anankiray anisan’ny tena, dia miara-mijaly avokoa ny zavatra rehetra anisan’ny tena; fa raha omem-boninahitra ny zavatra anankiray anisan’ny tena, dia miara-mifaly avokoa ny zavatra rehetra anisan’ny tena.


Tsy mba Mpisorombe tsy afaka miara-mizaka ny fahalementsika no ananantsika, fa Mpisorombe efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika ihany, saingy tsy mba nanota.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra