Genesisy 41:30 - DIEM PROTESTANTA30 Avy eo dia hisy taona fito mosarena handimby azy, ka ho hadino ny fahavokarana be nanerana an’i Ejipta fa hamely ny tany kosa ny mosary. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201130 Manaraka izany kosa hisy fito taona hisy mosary ka ho hadino ny fahavokarana be rehetra teo amin’ny tany Ejipta fa ho ritran’ny mosary ny tany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara30 Avy eo dia hisy taona fito mosarena handimby azy, ka ho hadino ny fahavokarana be nanerana an’i Ejipta fa hamely ny tany kosa ny mosary. Jereo ny tokoBaiboly Katolika30 Manaraka izany, hisy kosa fito taona mosarena, ka amin’ny tany Ejipta ho hadino izany fahavokaram-be rehetra izany, ary ny mosary handevona ny tany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy30 ary manaraka izany kosa dia hisy fito taona mosarena, ka ho hadino ny fahavokarana be rehetra teo amin’ny tany Egypta ary ho ritry ny mosary ny tany; Jereo ny tokoMalagasy Bible30 ary manaraka izany kosa dia hisy fito taona mosarena, ka ho hadino ny fahavokarana be rehetra teo amin'ny tany Egypta ary ho ritry ny mosary ny tany; Jereo ny toko |
Dia nankany amin’i Davida i Gada ka nanambara taminy ny hafatr’Andriamanitra nanao hoe: –Mosary fito taona hamelezana ny taninao ve no tianao, sa ny handosiranao telo volana eo anoloan’ny fahavalo izay manenjika anao, sa aretina pesta mandritra ny telo andro eto amin’ny taninao? Koa saino sy hevero tsara izay valin-teny hoentiko amin’Ilay naniraka ahy.
Indray andro dia niteny tamin’ilay vehivavy nanan-janakalahy maty nefa novelominy indray i Elisà, ka nanao hoe: –Mialà eto ianao sy ny fianakavianao ka mifindrà monina any amin’izay azonareo onenana; fa ny TOMPO handefa mosary eto amin’ny tanin’i Israely, ary efa ho tonga izany ka haharitra fito taona.
Fa izay hifampirary fitahiana eto amin’ity tany ity, dia hifanao izany ao amin’Andriamanitra hany mahatoky; izay hianiana eto amin’ity tany ity, dia hanao izany ao amin’Andriamanitra hany mahatoky. Hoy kosa ny TOMPO hoe: Eny, ireo fahoriana taloha dia hohadinoina sy ho voakosoka tanteraka tsy ho eo imasoko.