Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 40:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Fa an-keriny no nitondrana ahy avy tany amin’ny tanin’ny Hebreo; ary teto koa dia tsy nanao na inona na inona akory aho, nefa natao an-tranomaizina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Fa nangalarina avy tany amin’ny tanin’ny Hebreo aho, nefa ange tsy nanao na inona na inona izay tokony ho nametrahana ahy ato amin’ity lavaka ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Fa an-keriny no nitondrana ahy avy tany amin’ny tanin’ny Hebreo; ary teto koa dia tsy nanao na inona na inona akory aho, nefa natao an-tranomaizina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Fa an-keriny no nangalana ahy tany amin’ny Hebrio; ary eto aho tsy nanao na inona na inona tokony handatsahana ahy amin’ity tranomaizina ity.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 fa nangalarina mihitsy avy tany amin’ny tanin’ny Hebreo aho, ary atỳ koa tsy mba nanao izay tokony ho nanaovany ahy eto amin’ity lavaka ity aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 fa nangalarina mihitsy avy tany amin'ny tanin'ny Hebreo aho, ary atỳ koa tsy mba nanao izay tokony ho nanaovany ahy eto amin'ity lavaka ity aho,.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 40:15
19 Rohy Ifampitohizana  

Ary nisy lehilahy iray afa-nandositra, dia tonga nanambara ny vaovao tamin’i Abrama ilay Hebreo nonina an-day tao amin’ny hazo ôakan’i Mamre, izay Amôrita rahalahin’i Eskôla sy i Hanera; fa izy telo lahy dia efa vita fihavanana tamin’i Abrama.


Koa nasain’i Pôtifara nosamborina i Jôsefa sy nasainy nohidîna tao am-ponja izay nisy ireo mpigadra meloka tamin’ny mpanjaka. Fa raha tao am-ponja i Jôsefa,


Nony hitan’ilay lehiben’ny mpanao mofo fa tsara ny hevitry ny nofy nambaran’i Jôsefa, dia hoy izy taminy: –Izaho koa mba nanonofy, ka nisy hono harona telo fitondrana mofo nololohaviko.


Tao an-tranomaizina niaraka taminay dia nisy zatovolahy hebreo izay nanompo ny lehiben’ny fiambena-mpanjaka. Notantarainay azy ny nofinay, ka nambarany taminay avy ny heviny sy ny dikany.


Nogiazana tady ny tongony ary norohizana rojo vy ny vozony,


fa nisoka-bava hamely ahy ny olon-dratsy sy mpamitaka; resaka feno lainga no ataony amiko,


«Izay maka olona an-keriny dia tsy maintsy vonoina ho faty na efa namidiny ilay olona na mbola tratra ao an-tranony.


Dia niteny tamin’ny mpanjaka i Daniela hoe: –Ho ela velona anie ianao, ry mpanjaka!


fa hoy i Jesoa taminy: –Maro ny asa tsara nasehoko teo aminareo noho ny fahefana azoko tamin’ny Ray; ka inona amin’ireny asa ireny no itorahanareo vato Ahy?


Tonga izany mba hahatanteraka ny teny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Nankahalainy tsy amin’antony Aho.»


Rehefa misy Israelita hita mangalatra ny anankiray amin’ireo mpiray firenena aminy ka manandevo azy na mivarotra azy, dia hatao maty ilay mpangalatra. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo aminareo.


ny mpijangajanga, ny mpifampila samy lehilahy, ny mpivarotra olona, ny mpandainga sy mpianian-tsy to, ary izay manao zavatra mifanohitra amin’ny fampianarana tsy misy tomika.


Kanefa ny masonao mihitsy no mahita androany, fa ny TOMPO efa nanolotra anao ho eo am-pelatanako tao an-johy. Nasain’ny olona hovonoin-ko faty ianao, nefa niantra anao aho, fa hoy aho hoe: Tsy haninji-tanana amin’ny mpanjakako aho, satria ny TOMPO no efa nifidy anao ho mpanjaka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra