Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 38:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Dia hoy i Joda hoe: –Handefasako zanak’osy avy amin’ny andian’ondry aman’osiko ianao. Fa namaly ravehivavy hoe: –Eny, raha omenao antoka aho mandra-pandefanao ny zanak’osy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Dia hoy izy: Hampanateriko zanak’osy avy amin’ny ondry aman’osy ianao. Fa hoy kosa Ravehivavy: Hanome antoka va ianao mandra-panatitrao azy?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Dia hoy i Joda hoe: –Handefasako zanak’osy avy amin’ny andian’ondry aman’osiko ianao. Fa namaly ravehivavy hoe: –Eny, raha omenao antoka aho mandra-pandefanao ny zanak’osy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Ka hoy ny navaliny: «Hampanatitra zanak’osy avy any amin’ny biby fiompy ho anao aho.» Fa hoy ravehivavy: «Eny, raha omenao antoka aho aloha, mandra-pampanatitrao an’izany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Dia hoy izy: Hampanatitra zanak’osy avy amin’ny ondry aman-osy aho. Fa hoy kosa ravehivavy: Hanome fampitanana va hianao mandra-pampanatitrao azy?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Dia hoy izy: Hampanatitra zanak'osy avy amin'ny ondry aman'osy aho. Fa hoy kosa ravehivavy: Hanome fampitanana va ianao mandra-pampanatitrao azy?

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 38:17
8 Rohy Ifampitohizana  

Tsy nahafantatra azy ho vinantovaviny i Joda, ka dia nivily nanatona azy teo amoron-dalana sy nanao taminy hoe: –Avelao mba handry aminao aho. Fa hoy ny navaliny azy: –Inona anefa no homenao ahy amin’izany?


Ary hoy i Joda hoe: –Inona àry no antoka homeko anao? Dia novaliany hoe: –Ny tombokasenao sy ny tadiny ary iny tehinao eny an-tananao iny. Dia nomen’i Joda azy tokoa ireny, ka nandeha nandry tamin’i Tamara izy; ary nitoe-jaza ravehivavy.


Nirahin’i Joda ilay Hadolamita sakaizany mba hitondra ny zanak’osy ho any amin’ilay ramatoa sady haka ny tombokase; kanefa tsy nahita azy ralehilahy,


Raha misy olona sahy miantoka trosan’olona vahiny, dia tano ny akanjony ho antoka ny amin’io olon-tsy fantatra io.


Ny vehivavy janga dia mila tambiny fa ianao kosa manome tambiny ho an’ireo lehilahinao; eny, nandoa vola taminy ianao mba hiaviany avy eny amin’ny manodidina handry aminao.


Noderain’ny tompony ilay mpitandrim-pananana tsy marina, satria niseho ho kinga; fa amin’ny raharaha ifanaovany avy, dia kinga kokoa ny olona miaina araka izao tontolo izao noho ny olona miaina araka ny fahazavan’Andriamanitra.


Nony afaka andro vitsivitsy, tamin’ny fotoam-pijinjana varimbazaha, dia nandeha nitsidika ny vadiny i Samsôna, ka nitondra zanak’osy ho azy. Ary nangataka izy mba hahazo hiditra ao amin’ny efitrano misy ny vadiny, fa nolavin’ny rafozan-dahiny


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra