Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 34:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Ka hoy ireto taminy: –Tsy azonay atao ny hanome ny anabavinay ho vadin’ny lehilahy tsy voafora, fa manala baràka anay izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Hoy izy ireo taminy: Tsy azonay atao ny hanome ny anabavinay ho an’izay lehilahy tsy voafora; fahavetavetana aminay izany!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Ka hoy ireto taminy: –Tsy azonay atao ny hanome ny anabavinay ho vadin’ny lehilahy tsy voafora, fa manala baràka anay izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 ka hoy izy taminy: «Tsy azonay atao ny manome ny anabavinay ho an’izay lehilahy tsy voafora, fa fahavetavetana izany aminay.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 ary hoy izy taminy: Tsy azonay atao ny hanome ny anabavinay ho an’izay lehilahy tsy voafora; fa fahavetavetana aminay izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 ary hoy izy taminy: Tsy azonay atao ny hanome ny anabavinay ho an'izay lehilahy tsy voafora; fa fahavetavetana aminay izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 34:14
16 Rohy Ifampitohizana  

Ny famorana anareo no ho famantarana ny fanekempihavanana ifanaovako aminareo.


Fa izay lehilahy tsy voafora eo amin’ny nofony dia hoesorina tsy ho eo amin’ny fireneny, satria tsy nanaja ny fanekempihavanako.


Dia namaly an’i Sekema sy i Hamôra rainy tamin’ny hafetsena ireo zanakalahin’i Jakôba, satria nandoto an’i Dinà anabaviny izy.


Izao anefa: ekenay ny hevitrareo, raha hoforana mitovy aminay ny lehilahy rehetra eo aminareo.


Aza aely any Gata izany vaovao izany na torina eny an-dalamben’i Askelôna, fandrao hifalian’ny vehivavin’ny Filistinina na hibitahan’ny tovovavin’ny mpanompo sampy.


Nony afaka efa-taona, dia hoy i Absalôma tamin’ny mpanjaka: –Avelao aho mba hankany Hebrôna hanefa ny voady efa nataoko tamin’ny TOMPO.


Izao no voasorany tao amin’ny taratasy: «Miantsoa andro fifadian-kanina ka i Nabôta no asaivo mitarika ny vahoaka amin’izany.


Rehefa lasa nody ireo olon-kendry, dia nisehoan’anjelin’ny Tompo tamin’ny nofy i Jôsefa ka nilazany hoe: –Mifohaza ianao, ka ento mandositra any Ejipta ny zazakely sy ny reniny; ary mitoera any ambara-pilazako aminao indray. Fa efa hotadiavin’i Herôda ny zazakely mba hamonoany azy.


izay vao nalefany ho any Betlehema sady nataony hoe: –Ndeha àry ka fotopotory tsara ny amin’ilay zaza; rehefa hitanareo dia ilazao aho, fa te hankany koa aho hiankohoka eo anatrehany.


fa ny famorana dia famantarana noraisin’i Abrahama tatỳ aoriana, ho toy ny tombokase manamarika fa neken’Andriamanitra ho marina izy satria nino, dia fony izy tsy mbola voafora. Koa tonga rain’izay rehetra tsy voafora i Abrahama: dia ireo tsy voafora nefa nino ka neken’Andriamanitra ho marina;


Fa namaly azy ny ray sy reniny hoe: –Angaha tsy misy tovovavy ato amin’ny fokonao na ato amin’ny firenenao manontolo no handeha haka vady any amin’izay Filistinina tsy mifora ianao? Fa hoy i Samsôna tamin’ny rainy: –Iny no mahafinaritra ahy, ka angataho ho vadiko.


Dia hoy izany i Jônatàna tamin’ny mpanompony: –Andeha hotafihintsika ny tobin’ireo tsy mifora ireo, sao mba homba antsika ihany ny TOMPO, fa tsy misy manakana AZY tsy hanome antsika ny fandresena, na maro isika na vitsy.


Dia hoy i Davida tamin’ny miaramila iray teo akaikiny: –Hatao ahoana tsara hoe izay maharesy io Filistinina io ka mahafaka an’i Israely amin’izao fahafaham-baràkany izao? Fa iza moa io Filistinina mpanompo sampy io no sahy mihantsy ny tafik’ilay Andriamanitra velona?


Raha izany no nahafatesan’ny mpanomponao ny liona sy ny bera, dia ho tahaka izany koa no hanjo io Filistinina mpanompo sampy io, satria nihantsy ny tafik’ilay Andriamanitra velona izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra