Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 29:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Dia namaly azy i Labàna hoe: –Aleoko homena anao izy toy izay ho an’olon-kafa, fa mitoera eto amiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Dia hoy i Labana: Aleoko omena anao izy, toy izay homena lehilahy hafa. Koa mitoera eto amiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Dia namaly azy i Labàna hoe: –Aleoko homena anao izy toy izay ho an’olon-kafa, fa mitoera eto amiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Dia hoy i Labàna: «Aleo omena anao izy toy izay omena ny hafa; ka mitoera àry eto amiko.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary hoy Labana: Aleoko homena anao izy, toy izay homena lehilahy hafa; tomoera eto amiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary hoy Labana: Aleoko homena anao izy, toy izay homena lehilahy hafa; tomoera eto amiko.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 29:19
6 Rohy Ifampitohizana  

Ary tia an’i Rahely i Jakôba ka niteny tamin’i Labàna hoe: –Hanompo anao fito taona aho mba hahazoako manambady an’i Rahely faravavinao.


Koa mba hahazoany an’i Rahely, dia nanompo an’i Labàna fito taona i Jakôba; nefa toy ny andro vitsivitsy nandalo izany teo imasony, satria tena tiany razazavavy.


Mba vonjeo re, TOMPO ô, fa miharingana ny mpivavaka marina; ary dia tsy misy intsony ny olona azo itokiana.


Tamin’izay dia nanontany aho hoe: –Mandra-pahoviana anefa, Tompo ô? Dia namaly Izy hoe: –Mandra-pahasimba ny tanàna ka tsy hisy mponina intsony, mandra-paharava ny trano ka tsy hisy olona tavela ary mandra-pahalao tokoa ny tany.


Dia hoy aho hoe: «Lozako, very aho satria olona maloto molotra sady eto amin’ny firenena maloto molotra no itoerako; kanefa ny Mpanjaka, ilay TOMPOn’izao rehetra izao, no hitan’ny masoko!»


Manambadia ka miteraha zanakalahy sy zanakavavy; akao vady ny zanakareo lahy ary ampanambadio ny zanakareo vavy mba hiteraka koa izy. Hihamaro anie ianareo, fa tsy hihavitsy!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra