Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 29:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Nanana zanakavavy roa anefa i Labàna; ilay zokiny dia nantsoina hoe Leà ary ilay zandriny natao hoe Rahely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 I Labana moa dia nanan-janaka roa vavy: Lea no anaran’ny zokiny ary Rahely ny zandriny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Nanana zanakavavy roa anefa i Labàna; ilay zokiny dia nantsoina hoe Leà ary ilay zandriny natao hoe Rahely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Ary nanan-janaka roa vavy i Labàna; ny zokiny natao hoe Lià, ary ny zandriny natao hoe Rasela.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ary Labana nanan-janaka roa vavy: Lea no anaran’ny zokiny, ary Rahely no anaran’ny zandriny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary Labana nanan-janaka roa vavy: Lea no anaran'ny zokiny, ary Rahely no anaran'ny zandriny.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 29:16
10 Rohy Ifampitohizana  

Indray andro dia hoy i Labàna tamin’i Jakôba: –Noho ny maha havako anao ve dia hanompo ahy maimaim-poana ianao? Koa lazao amiko, inona no ho karamanao?


I Leà dia malefa-pijery, fa i Rahely kosa tsara tarehy sady bikàna.


Ary mbola bevohòka indray i Leà ka niteraka zazalahy fahenina tamin’i Jakôba.


Ary i Jakôba nampiantso an’i Rahely sy i Leà ho any aminy tany an-tsaha izay nisy ny andian’ondry aman’osiny,


Nataony lohalalana ireo mpanompovavy sy ny zanany, dia nanaraka azy i Leà sy ireo zanany, ary tatỳ afara i Rahely sy i Jôsefa.


i Reobena no lahimatoan’i Jakôba tamin’i Leà, avy eo dia i Simehôna, i Levỳ, i Joda, i Jisakara ary i Zebolòna.


Ireo no zanakalahin’i Jakôba naterak’i Leà tany Mezôpôtamia ambony, miampy an’i Dinà anabaviny. Ny isan’izy rehetra mbamin’ny zanany na lahy na vavy dia telo amby telopolo.


Tao no nalevina i Abrahama sy i Sarà vadiny, i Itsehàka sy i Rebekà vadiny, ary tao koa no nandevenako an’i Leà.


Dia hoy ireo vahoaka rehetra izay teo am-bavahady sy loholona hoe: –Eny, vavolombelona manatri-maso izahay. Hotahin’ny TOMPO anie ity vehivavy izay hankao an-tranonao, ka ho tahaka an-dRahely sy i Lea fa izy roa vavy no niavian’ny vahoaka Israely; hataony manan-karena eo amin’ny Efratîta anie ianao, ary halaza eran’i Betlehema anie ny anaranao!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra