Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 28:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Dia nifoha vao maraina i Jakôba, ary nalainy ilay vato nataony ondana ka naoriny ho tsangambato ary nohosorany menaka teo an-tampony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Ary nifoha vao maraina i Jakoba dia naka ilay vato izay nataony ondana ka nanorina azy ho tsangambato dia nandraraka diloilo taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Dia nifoha vao maraina i Jakôba, ary nalainy ilay vato nataony ondana ka naoriny ho tsangambato ary nohosorany menaka teo an-tampony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Nifoha maraina koa izy, dia nalainy ilay vato nataony ondana, naoriny nataony tsangam-bato ka norotsahany diloilo ny tampony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ary nifoha maraina koa Jakoba, dia naka ilay vato izay nataony ondana ka nanorina azy ho tsangam-bato, dia nampidina diloilo teo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary nifoha maraina koa Jakoba, dia naka ilay vato izay nataony ondana ka nanorina azy ho tsangam-bato, dia nampidina diloilo teo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 28:18
16 Rohy Ifampitohizana  

Dia nifoha vao maraina be i Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra feno rano; dia nomeny an’i Hagara izany sady napetrany teo an-tsorony, ary natolony azy koa ny zaza. Dia nalefan’i Abrahama izy mianaka ka nandeha nirenireny tao an-taniefitr’i Beera-Seba.


Dia nifoha vao maraina be i Abrahama nony ampitso. Namaky kitay hanaovana sorona izy, dia nanisy lasely ny borikiny ary niainga ho any amin’ny toerana izay voatondron’Andriamanitra. Nentiny niaraka taminy koa ny zatovony roa lahy sy i Itsehàka zanany lahy.


Ary tratry ny masoandro milentika teo amin’ny toerana iray izy ka nandry teo. Dia naka vato tamin’izany toerana izany izy nataony ondana, ka natory teo.


Izaho no Andriamanitra Izay niseho taminao tao Betela, ka nanosoranao tsangambato sy nivoadianao. Miaingà ankehitriny, ilaozy ity tany ity ka miverena any amin’ny tany misy ny fianakavianao.»


Dia naka vato anankiray i Jakôba ka nanangana azy ho tsangambato.


I Jakôba kosa nanorina tsangambato teo ka nanoso-menaka ilay tsangambato sy nandraraka divay teo amboniny.


Dia nanorenan’i Jakôba tsangambato teo ambonin’ny fasany izay mbola antsoina mandraka androany hoe Tsangambatom-pasan’i Rahely.


Fahavelony i Absalôma dia efa nampanao tsangambato ho azy tao an-dohasahan’ny mpanjaka, fa hoy izy anakampo: «Tsy manan-janakalahy hamelo-maso ny anarako aho.» Koa ny anaran’ny tenany ihany no niantsoany an’ilay tsangambato. Izany no mbola anaovana azy mandraka ankehitriny hoe «Tsangambaton’i Absalôma».


Dodona aho fa tsy mitaredretra amin’ny fitandremana ny didinao.


Ampiasao ny herinao hanatanterahanao izay rehetra azonao atao, fa any amin’ny toeran’ny maty izay halehanao tsy mba misy asa na famoronan-javatra na fahalalana na fahendrena.


Amin’izany andro izany, dia hisy alitara iray hatokana ho an’ny TOMPOn’izao rehetra izao ao afovoan’ny tany Ejipta ary tsangambato iray ho an’ny TOMPO any amin’ny sisintaniny.


Tamin’ny andro namitan’i Mosesy ny fananganana ny Fonena-masina no nanosorany sy nanokanany azy niaraka tamin’ny kojakoja rehetra momba azy; nohosorany sy notokanany tahaka izany koa ny alitara mbamin’ny kojakoja rehetra momba azy.


Ary i Josoa dia nampanangana vato 12 ihany koa teo afovoan’i Jôrdàna, teo amin’ny toerana izay nijoroan’ny mpisorona nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanana; ary mbola ao ihany ireo vato ireo mandraka androany.


Naka vato i Samoela ka natsangany teo anelanelan’i Mitsepà sy i Sèna izany ary nomeny anarana hoe Ebena-Hezera na «Vatom-pamonjena», fa hoy izy hoe: «Efa namonjy antsika hatretỳ ny TOMPO.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra