Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 28:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Hiaraka aminao Aho ary hiaro anao amin’izay rehetra alehanao ka hitondra anao miverina amin’ity tany ity. Tsy handao anao aho ary hotanterahiko izay rehetra nampanantenaiko anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Ary indro Aho momba anao ka hiaro anao amin’izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin’ity tany ity. Tsy handao anao Aho mandra-pahatanterako izay voalazako taminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Hiaraka aminao Aho ary hiaro anao amin’izay rehetra alehanao ka hitondra anao miverina amin’ity tany ity. Tsy handao anao aho ary hotanterahiko izay rehetra nampanantenaiko anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Indro Aho momba anao, ka hiaro anao any amin’izay halehanao rehetra, sy hampody anao indray amin’ity tany ity. Fa tsy handao anao Aho, mandra-pahatanterako izay voalazako taminao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary, indro, Izaho momba anao ka hiaro anao amin’izay làlan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin’ity tany ity; fa tsy handao anao Aho mandra-panaoko izay voalazako taminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary, indro, Izaho momba anao ka hiaro anao amin'izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin'ity tany ity; fa tsy handao anao Aho mandra-panaoko izay voalazako taminao.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 28:15
48 Rohy Ifampitohizana  

Ary nombàn’Andriamanitra ny zaza ka nihalehibe, ary nonina tany an-taniefitra ka lasa mpandefa tsipîka mahay.


Nisehoan’ny TOMPO izy nony alina ka nilazany hoe: –Izaho no Andriamanitr’i Abrahama rainao. Aza matahotra fa miaraka aminao Aho, ary mitahy anao. Hampitomboiko ny taranakao noho ny fampanantenana efa nataoko tamin’i Abrahama mpanompoko.


Mivahinia eto amin’ity tany ity fa homba anao Aho ary hitahy anao, satria ny taranakao no homeko ireo faritany rehetra ireo, fa hotanterahiko ny fampanantenana efa nianianako tamin’i Abrahama rainao.


Rehefa avy niteraka an’i Jôsefa i Rahely, dia hoy i Jakôba tamin’i Labàna: –Alefaso hiverina any an-tanindrazako aho.


Izaho no Andriamanitra Izay niseho taminao tao Betela, ka nanosoranao tsangambato sy nivoadianao. Miaingà ankehitriny, ilaozy ity tany ity ka miverena any amin’ny tany misy ny fianakavianao.»


Koa hoy ny TOMPO tamin’i Jakôba: –Miverena any amin’ny tanin’ny razanao sy any amin’ny fianakavianao, fa homba anao Aho!


ka nilaza tamin’izy mirahavavy hoe: –Hitako nisoritra teny amin’ny endriky ny rainareo fa tsy tahaka ny teo aloha intsony ny fifandraisany amiko, kanefa ilay Andriamanitry ny raiko efa nanambina ahy.


fa hoy izy anakampony: «Raha tonga hamely ny antoko iray i Hesao, dia afa-mandositra kosa ny antoko hafa.»


Ndeha isika hiainga hiakatra any Betela; fa hanamboatra alitara any aho ho an’Andriamanitra Izay nihaino ahy tamin’ny androm-pahoriako sady nomba ahy tamin’izay rehetra nalehako.


Ary ny TOMPO nomba an’i Jôsefa izay nanjary lehilahy nambinina. Nitoetra tao an-tranon’ilay Ejiptianina tompony izy;


dia nomba azy kosa ny TOMPO sy naneho hatsaram-po taminy, ka nampahita sitraka azy tamin’ny lehiben’ny fonja.


Hidina hiaraka aminao any Ejipta Aho, ary Izaho koa no mbola hampiakatra anao avy any indray; ary ny tanan’i Jôsefa no hanirina ny masonao, rehefa maty ianao.


antsoiko ilay Anjely Izay nanavotra ahy tamin’ny loza rehetra; dia hotahîny anie ireto zazalahy ireto! Ka amin’ny alalan’izy roa lahy no hahatsiarovana ny anarako mbamin’ny anaran’i Abrahama raibeko sy i Itsehàka raiko! Hitombo maro dia maro eo anivon’ilay tany anie izy!


Ary hoy i Jakôba tamin’i Jôsefa: –Indro ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo ho any an-tanindrazanareo.


Koa enga anie ny TOMPO Andriamanitsika mba hiaraka amintsika tahaka izay efa niarahany tamin’ireo razantsika; tsy hahafoy na handao antsika anie Izy,


Hoy ny Tompo hoe: «Tapitra hatreo ny ady; ka ekeo fa Izaho no Andriamanitra, voasandratra hanerinerina amin’ireo firenena, voasandratra hanerinerina amin’ny tany.»


Mitabataba ny firenena, mikorontana ny fanjakana; ny Tompo kosa namoaka feo toa kotro-baratra, dia nihovotra sy niempo ny tany.


Fa ny Tompo handidy ny anjeliny hiahy anao mba hiaro anao na aiza na aiza alehanao;


Ary hoy koa i Mosesy hoe: –Rehefa hampidirin’ny TOMPO ao amin’ny tanin’ny Kanahanita ianareo, ka homeny anareo ny tany araka izay efa nianianany taminareo sy ny razanareo,


Ary hoy Andriamanitra hoe: –Homba anao tokoa Aho; ary izao no porofo fa Izaho no naniraka anao: rehefa avy namoaka ny vahoaka israelita avy tany Ejipta ianao, dia hanao fanompoam-pivavahana amiko eto amin’ity tendrombohitra ity ianareo.


Aza matahotra ianao fa miaraka aminao Aho, aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao. Mampahery anao Aho ary mamonjy anao tokoa; ny tanan-kavanako manafaka no anohanako anao.


Raha mamakivaky ny rano ianao, dia homba anao Aho; raha miampita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao ireny; raha mandeha eo anivon’ny afo ianao, dia tsy ho may akory fa tsy handoro anao ny lelafo.


Noho izany àry, dia ny Tompo mihitsy no hanome famantarana ho anareo: jereo fa hitoe-jaza ny vehivavy ka hiteraka zazalahy ary ny anarany hataony hoe Himanoela, izany hoe «Andriamanitra miaraka amintsika.»


Manaova fikasana fa ho rava izany, manaova lahateny aman-karajia fa tsy hisy ho tanteraka akory ireny, satria Andriamanitra no momba anay.


Hiady aminao izy nefa tsy haharesy anao, fa miaraka aminao Aho mba hanafaka anao. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


fa hoe: ‹Velona ny TOMPO Izay nanafaka ny Israelita avy any amin’ny tany avaratra sy avy any amin’ny tany hafa rehetra izay nandroahany azy, ka mianiana aho!› Eny, haveriko eo amin’ny taniny izay efa nomeko ny razany izy.»


Amin’izay no hahatsiarovako ny fanekempihavanako tamin-dry i Jakôba sy i Itsehàka ary i Abrahama razambeny sady hahatsiarovako ny fampanantenana momba ilay taniny.


Eny, hotsarovako hanasoavana azy ny fanekempihavanana nataoko tamin’ny razany, izay navoakako hiala tany Ejipta teo imason’ny firenen-kafa mba hahatonga Ahy ho Andriamaniny. Izaho no TOMPO.»


Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na taranak’olombelona ka hanenina. Izay nolazainy dia hoefainy; izay nampanantenainy dia hotanterahiny.


«Hitahy sy hiaro anareo anie ny TOMPO!


Satria na aiza na aiza iangonan’olona roa na telo amin’ny anarako, dia eo afovoany Aho.


Ho levona ny tany amana habakabaka, fa ny teniko tsy mba ho levona.


sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.


Dia haverin’ny TOMPO Andriamanitrareo amin’ny fiainanareo taloha ianareo sady hamindrany fo, ka hangoniny indray avy any amin’ny firenena rehetra nampielezany anareo.


Mahereza sy matanjaha! Aza matahotra na manahy an’ireo firenena ireo, satria ny TOMPO Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo ary tsy handao anareo na hahafoy anareo.


Ny TOMPO mihitsy no handeha eo alohanao, Izy no hiaraka aminao ary tsy handao anao na hahafoy anao; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.


Aoka ho fantatrareo fa ny TOMPO Andriamanitrareo no hany Andriamanitra tena Izy. Mitandro ny fanekempihavanany sy ny fitiavany hatramin’ny taranaka faharivo Izy amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny;


Ny fampiasan-tena ara-batana dia mba mahasoa ihany, nefa tsy dia manao ahoana loatra; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra kosa dia mahasoa amin’ny zavatra rehetra, satria mampanantena fiainana na ankehitriny na amin’ny ho avy.


Ry Josoa, tsy misy olona hahatohitra anao mandritra ny androm-piainanao rehetra, fa homba anao Aho tahaka izay efa nombako an’i Mosesy. Tsy hanary anao Aho na handao anao na oviana na oviana.


Avy amiko Joda ity taratasy ity, dia izaho mpanompon’i Jesoa Kristy sady rahalahin’i Jakôba. Mamangy anareo voaantson’Andriamanitra aho, dia ianareo tiavin’Andriamanitra Ray sy tahiriziny ho an’i Jesoa Kristy.


Fa hoy kosa ny TOMPO taminy: –Homba anao Aho, ka toy ny famelezana olona iray monja no hamelezanao ny Midianita.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra