Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 27:37 - DIEM PROTESTANTA

37 Namaly azy i Itsehàka hoe: –Efa nataoko ho tomponao izy ary nomeko ho mpanompony ny rahalahiny rehetra. Nomeko azy koa ny vary aman-divay. Koa tsy misy azoko atao ho anao intsony, anaka!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

37 Namaly Isaka ka niteny tamin’i Esao hoe: Indro, efa nataoko ho tomponao izy, fa ny rahalahiny rehetra dia nataoko ho mpanompony; vary sy ranom-boaloboka no namelomako azy; koa inona indray no azoko atao aminao, anaka?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

37 Namaly azy i Itsehàka hoe: –Efa nataoko ho tomponao izy ary nomeko ho mpanompony ny rahalahiny rehetra. Nomeko azy koa ny vary aman-divay. Koa tsy misy azoko atao ho anao intsony, anaka!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

37 Fa hoy ny navalin’Isaaka an’i Esao: «Efa natsangako ho tomponao izy; sady efa nomeko azy ho mpanompony ny rahalahiny rehetra, ary nataoko be vary aman-divay izy. Ka ny aminao inona indray no azoko atao, anaka?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

37 Dia namaly Isaka ka nanao tamin’i Esao hoe: Indro, efa nataoko ho tomponao izy, ary ny rahalahiny rehetra nomeko ho mpanompony; ary vary sy ranom-boaloboka no namelomako azy; koa inona indray no hataoko aminao, anaka?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

37 Dia namaly Isaka ka nanao tamin'i Esao hoe: Indro, efa nataoko ho tomponao izy, ary ny rahalahiny rehetra nomeko ho mpanompony; ary vary sy ranom-boaloboka no namelomako azy; koa inona indray no hataoko aminao, anaka?

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 27:37
6 Rohy Ifampitohizana  

Fa namaly azy ny TOMPO hoe: Firenena roa no ao an-kibonao, vahoaka roa tonta no haterakao. Ny ankilany hahery noho ny andaniny, ny zokiny hanompo ny zandriny.


Nametrahany governora tany Edôma; eny, nametrahany governora i Edôma manontolo, ka tonga olom-pehezin’i Davida avokoa ny mponiny. Ary nampandresy an’i Davida tamin’izay fanafihany rehetra ny TOMPO.


Tsy nisy mpanjaka tany Edôma tamin’izany fotoana izany, fa governora notendren’ny mpanjaka ihany.


Mandry feizay ny Israelita; monina milamina ny taranak’i Jakôba eo amin’ny tany be vary sy divay, tany izay ipariahan’ny andon’ny lanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra