Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 25:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Ireo no zanak’i Jismahela 12 lahy, samy lehiben-tarika avy. Samy mitondra ny anarany avy ny tanànany sy ny tobiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Ireo no zanakalahin’Ismaela, ary ireo no anarany, araka ny vohiny sy ny tobiny, dia andriana roa amby folo araka ny fireneny avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Ireo no zanak’i Jismahela 12 lahy, samy lehiben-tarika avy. Samy mitondra ny anarany avy ny tanànany sy ny tobiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Ireo no zanaka lahin’i Ismaely, ireo no anarany araka ny vohiny sy ny tobiny avy; ireo no filohany roa ambin’ny folo amin’ny fokony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Izy ireo no zanakalahin’Isimaela, ary ireo no anarany, araka ny vohiny sy ny tobiny, dia andriana roa ambin’ny folo araka ny fireneny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Izy ireo no zanakalahin'Isimaela, ary ireo no anarany, araka ny vohiny sy ny tobiny, dia andriana roa ambin'ny folo araka ny fireneny.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 25:16
5 Rohy Ifampitohizana  

Ary ny momba an’i Jismahela dia efa nohenoiko ny hatakao; indro hotahîko izy, ka hataoko maro anaka ary hampitomboiko fatratra ny taranany. Hiteraka andriana 12 izy sady ho razamben’ny firenen-dehibe iray.


Dia nalain’i Abrahama i Jismahela zanany lahy sy ireo mpanompony rehetra na izay teraka tao aminy na izay novidîny vola, dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; ka noforany avokoa ireo iny andro iny ihany araka izay nandidian’Andriamanitra azy.


sy i Hadada, i Temà sy i Jetora ary i Nafisy sy i Kedmà.


Nodorany avokoa ny tanàna rehetra nonenany sy nitobiany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra