Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 24:35 - DIEM PROTESTANTA

35 Efa notahîn’ny TOMPO tokoa ny tompoko ka tonga olo-malaza. Nomen’ny TOMPO azy ny andian’ondry aman’osy sy omby ary koa volafotsy sy volamena, mpanompolahy sy mpanompovavy betsaka, ary rameva sy boriky.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

35 Ary NY TOMPO nitahy indrindra ny tompoko ka efa tonga be ny fananany; Izy no nanome azy ondry aman’osy, omby, volafotsy, volamena, mpanompolahy sy mpanompovavy, ary rameva sy boriky maro.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

35 Efa notahîn’ny TOMPO tokoa ny tompoko ka tonga olo-malaza. Nomen’ny TOMPO azy ny andian’ondry aman’osy sy omby ary koa volafotsy sy volamena, mpanompolahy sy mpanompovavy betsaka, ary rameva sy boriky.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

35 Ny tompoko efa nasian’i Iaveh soa be indrindra, ka efa tonga olona be fahefana izy; fa nomeny ondry sy omby, ary mpanompo lahy sy mpanompo vavy, ary rameva aman’ampondra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

35 Ary Jehovah efa nitahy ny tompoko indrindra, ka efa be ny fananany; ary Jehovah efa nanome azy ondry aman-osy sy omby, ary volafotsy sy volamena, ary andevolahy sy andevovavy, ary rameva sy boriky.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

35 Ary Jehovah efa nitahy ny tompoko indrindra, ka efa be ny fananany; ary Jehovah efa nanome azy ondry aman'osy sy omby, ary volafotsy sy volamena, ary andevolahy sy andevovavy, ary rameva sy boriky.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 24:35
20 Rohy Ifampitohizana  

Noho ny aminy dia nasian’ny Farao soa i Abrama ka nomeny ondry aman’osy sy omby, mpanompo lahy sy vavy mbamin’ny boriky sy rameva.


Hataoko firenena lehibe ianao; hitahy anao Aho ka hampahalaza ny anaranao. Hanjary fitahiana ho an’ny hafa ianao.


Hotahîko izay mitahy anao, fa hozoniko kosa izay manozona anao. Amin’ny alalanao no hitahiana ny firenena rehetra eran-tany.


Nanan-karena tokoa i Abrama, fa nanana biby fiompy sy volafotsy ary volamena betsaka.


Ary efa tena antitra be i Abrahama, sady notahîn’ny TOMPO tamin’ny zavatra rehetra.


Taorian’ny nahafatesan’i Abrahama, dia notahîn’Andriamanitra i Itsehàka zanany, izay nonina tao akaikin’ny fantsakana Lahay-Rôy.


Nomen’i Abrahama an’i Itsehàka avokoa izay rehetra nananany.


Ary nitombo harena fatratra i Jakôba ka nanana andian’ondry aman’osy be sy mpanompo vavy sy lahy maro ary rameva sy boriky betsaka.


amin’ny alalan’ilay Andriamanitry ny rainao izay mamonjy anao, amin’ny alalan’ilay Andriamanitra Tsitoha izay mitahy anao, raiso ny fitahiana avy amin’ny orana izay mirotsaka avy any an-danitra, raiso ny fitahiana avy amin’ny rano izay mihanaka ao amin’ny fanambanin’ny tany ary raiso ny fitahiana izay hahamaro anaka ny vehivavy sy ny biby fiompy.


Nanana ondry fito arivo sy rameva telo arivo ary omby arivo sy borikivavy dimanjato mbamin’ny mpanompo marobe koa izy. I Jôba no lehilahy nanan-kaja indrindra tany atsinanan’i Palestinina.


Tahîn’ny Tompo izy ka mihamaro fatratra; ny biby fiompiny koa tsy avelany hihavitsy.


fananana sy harena no ao an-tranony. Maharitra hatrany koa ny asa fiantràny:


Izy no manofana ahy ho havanana amin’ny ady ka ahaizako manenjana tsipîka varahina.


Ny fitahian’ny TOMPO no mampanankarena; ary tsy manampy inona amin’izany ny ezaky ny olona.


Ny vokatry ny fanetren-tena sy ny fanajana ny TOMPO dia harena sy voninahitra ary fiainana.


Nefa katsaho aloha ny Fanjakàn’Andriamanitra sy ny hanao ny marina nosoritany, dia homeny anareo ho fanampiny ireny rehetra ireny.


Raha tàhiny kosa io mpanompo io manao anakampo hoe: «Mbola ho ela vao tafaverina ny tompoko», ka mihetraketraka amin’ny mpanompo hafa na lahy na vavy sady manaram-po mihinana sy misotro ary mimamo,


Ny fampiasan-tena ara-batana dia mba mahasoa ihany, nefa tsy dia manao ahoana loatra; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra kosa dia mahasoa amin’ny zavatra rehetra, satria mampanantena fiainana na ankehitriny na amin’ny ho avy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra