Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 18:24 - DIEM PROTESTANTA

24 Angamba mety hisy olo-marina dimampolo ao Sôdôma. Koa haringanao ve io tanàna io? Moa tsy havelanao heloka ve izy noho ireo olo-marina dimampolo ao aminy?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Angamba misy olona marina dimampolo ao an-tanàna; haringanao koa va ireo fa tsy mba hamindranao fo ny tanàna noho ny dimampolo marina izay ao?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Angamba mety hisy olo-marina dimampolo ao Sôdôma. Koa haringanao ve io tanàna io? Moa tsy havelanao heloka ve izy noho ireo olo-marina dimampolo ao aminy?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 Angamba hisy olo-marina dimampolo ao an-tanàna ao ka hovonoinao koa ve ireny? Ary tsy hamindranao fo va ny tanàna noho ireo olo-marina dimampolo ireo, raha misy izany tokoa ao?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Angamba misy olo-marina dimam-polo ao an-tanàna; haringanao koa va, ka tsy hamindranao fo ny tanàna noho ny dimam-polo marina izay ao?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Angamba misy olo-marina dimam-polo ao an-tanàna; haringanao koa va, ka tsy hamindranao fo ny tanàna noho ny dimam-polo marina izay ao?

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 18:24
8 Rohy Ifampitohizana  

Koa nanatona i Abrahama sady nanao hoe: –Dia haringanao tokoa miaraka amin’ny meloka ve ny marina?


Tsia, sanatria aminao ny hanao izany! Raha hovonoinao miaraka amin’ny meloka ny marina, dia hitovy ny marina sy ny meloka. Sanatria Anao izany! Ianao Izay mpitsara ny tany tontolo ve no tsy hitandro ny rariny.


Ka hoy indray i Abrahama: –Miangavy re, Tompo ô, aoka tsy ho tezitra Ianao fa hiteny farany aho. Angamba tsy hahitana afa-tsy folo ao. Ary novalian’ny Tompo hoe: –Tsy handrava ny tanàna Aho noho ny amin’ireo folo.


Fa na ny tsara vitanao na ny ratsy nataonao, dia ny olona toa anao ihany no iharany.


Raha tsy navelan’ny TOMPOn’izao rehetra izao hisy olona vitsivitsy velona aina tamintsika, dia ho efa tonga tahaka an’i Sôdôma sy ho nitovy tamin’i Gômôra isika.


Mandehana mivezivezy eny an-dalamben’i Jerosalema ianareo; dia jereo tsara sy hadihadio, tadiavo eny amin’ny toera-malalaka raha mahita olona anankiray manao ny mahitsy sy ny rariny ianareo; fa raha mahita anankiray monja ianareo dia havelako ny helok’i Jerosalema.


ary nanao hoe: «Aza matahotra, ry Paoly, fa tsy maintsy hanatrika ny amperôra rômanina ianao. Ary Andriamanitra, noho ny fitiavany anao, dia hamonjy ny ain’ireto olona rehetra miray sambo aminao.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra