Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Ezra 8:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Nolanjaiko teo anatrehan’izy 24 lahy ny volafotsy sy volamena ary fanaka horaisiny, dia ny zavatra natokana ho an’ny tranon’Andriamanitray ka naterin’ny amperôra sy ny mpanolotsainy sy ny manampahefana ary ny Israelita rehetra vory teo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 ka nolanjaiko ny volafotsy sy ny volamena horaisiny mbamin’ny fanaka, dia fanomezana ho ao amin’ny tranon’Andriamanitray, izay efa natokan’ny mpanjaka sy ireo mpanolotsainany sy ireo mpanapaka ary ny Israely rehetra izay vory teo;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Nolanjaiko teo anatrehan’izy 24 lahy ny volafotsy sy volamena ary fanaka horaisiny, dia ny zavatra natokana ho an’ny tranon’Andriamanitray ka naterin’ny amperôra sy ny mpanolotsainy sy ny manampahefana ary ny Israelita rehetra vory teo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 ka nolanjaiko teo anatrehan’izy ireo ny volafotsy, ny volamena sy ny fanaka, zavatra naterin’ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina aman-dehibe ary ny olon-drehetra amin’i Israely vory teo, natokany ho an’ny tranon’Andriamanitra,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 ka nolanjaiko ny volafotsy sy ny volamena horaisiny mbamin’ny fanaka, dia ny fanatitra ho ao an-tranon’Andriamanitray, izay efa naterin’ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy sy ireo mpanapaka ary ny Isiraely rehetra izay vory teo;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 ka nolanjaiko ny volafotsy sy ny volamena horaisiny mbamin'ny fanaka, dia ny fanatitra ho ao an-tranon'Andriamanitray, izay efa naterin'ny mpanjaka sy ireo mpanolotsainy sy ireo mpanapaka ary ny Isiraely rehetra izay vory teo;

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 8:25
7 Rohy Ifampitohizana  

I Mitredata, mpitahiry ny harem-panjakana, no nasainy namoaka ireny fanaka ireny sy nanisa azy ary nanolotra azy tamin’i Sesebatsàro, taranaky ny mpanjakan’i Joda.


Nanome araka izay fari-pananany avy izy mba hanampy ny vola voavory hanaovana ny asa: dia volamena 500 kilao, sy volafotsy 2 800 kilao, ary fanamiam-pisoronana zato.


Tamin’ny andro fahefatra no nandanjana ny volafotsy sy volamena ary fanaka, alohan’ny hanolorana azy an’i Meromôta mpisorona, zanakalahin’i Orià, izay nampian’i Elehazara, zanakalahin’i Pinehasa, ary koa ny levita anankiroa, dia i Jôzabada zanakalahin’i Jesoa, sy i Nôhadià zanakalahin’i Binoy.


ka 1 300 grama avy no lanjan’ny lovia volafotsy iray ary fitonjato grama avy no lanjan’ny kaopy volafotsy iray. Ny fitambaran’ireo fanaka volafotsy ireo dia 24 kilao araka ny ventin-danja fampiasa ao amin’ny Toeramasina.


Farany, ry havana, aoka hoheverinareo izay zavatra tsara sy maha te hidera: dia izay rehetra marina, manan-kaja, ara-drariny, madio, mahatehotia ary tsara laza.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra