Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Ezra 7:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Izay heverinao sy ny Israelita mpiara-dia aminao hatao amin’ny volafotsy sy volamena sisa dia ataovy araka ny sitrapon’Andriamanitrareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Ary izay rehetra sitrakao sy ny rahalahinao hatao amin’ny volafotsy sy ny volamena sisa dia ataovy izany araka ny sitrapon’Andriamanitrareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Izay heverinao sy ny Israelita mpiara-dia aminao hatao amin’ny volafotsy sy volamena sisa dia ataovy araka ny sitrapon’Andriamanitrareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Ary ny volafotsy amana volamena sisa dia ataovy amin’izay heverinao sy ireo rahalahinao ho mety, manaraka ny sitrapon’ny Andriamanitrareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ary izay rehetra sitrakao sy ny rahalahinao hatao amin’ny volafotsy sy ny volamena sisa, dia ataovy izany araka ny sitrapon’Andriamanitrareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary izay rehetra sitrakao sy ny rahalahinao hatao amin'ny volafotsy sy ny volamena sisa, dia ataovy izany araka ny sitrapon'Andriamanitrareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 7:18
6 Rohy Ifampitohizana  

Dia nomena ny mpanao raharaha izany hanamboarana ny tranon’ny TOMPO.


Kanefa aza ampamoahina ny amin’ny vola natolotra azy izy, satria mahatoky amin’ny asany.


Koa himasoanao ny hividy amin’io vola io ny ombilahy sy ondrilahy ary zanakondry mbamin’izay ilaina hatao fanatitra hohanina sy fanatitra araraka; dia haterinao eo ambonin’ny alitara ao an-tranon’Andriamanitrareo any Jerosalema ireny.


Ny fanaka nomena anao ho an’ny fanompoam-pivavahana ao an-tranon’Andriamanitrao dia apetraho eo anatrehan’Andriamanitra any Jerosalema.


Ary na iza na iza tsy mety mankatò ny lalànan’Andriamanitrao sy ny lalànan’ny amperôra, dia aoka izy hotsaraina araka ny rariny ka hovonoina, na horoahina, na hosazîna vola, na hatao am-ponja».


Aza miadaladala, fa mba fantaro izay sitraky ny Tompo hataonareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra