Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Ezra 4:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Ren’ny valovotaka, fahavalon’ny Jiosy tao Joda sy tao Benjamîna, fa manorina tempoly ho an’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely ny Jiosy nody avy any an-tsesitany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Nony ren’ny fahavalon’ny Joda sy ny Benjamina fa ireo nody avy tamin’ny fahababoana dia efa manangana tempoly ho an’NY TOMPO Andriamanitry ny Israely

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Ren’ny valovotaka, fahavalon’ny Jiosy tao Joda sy tao Benjamîna, fa manorina tempoly ho an’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely ny Jiosy nody avy any an-tsesitany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Nony ren’ny fahavalon’i Jodà sy i Benjamina fa hoe manao tempoly ho an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, ny zanaky ny fahababoana,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY nony ren’ny fahavalon’ny Joda sy ny Benjamina fa ireo efa nody avy tamin’ny fahababoana dia efa manao tempoly ho an’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary nony ren'ny fahavalon'ny Joda sy ny Benjamina fa ireo efa nody avy tamin'ny fahababoana dia efa manao tempoly ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 4:1
14 Rohy Ifampitohizana  

Ny isan’ny fanaka volamena sy volafotsy rehetra dia 5 400; ka nentin’i Sesebatsàro ireo, fony niakatra avy tany Babilôna ho any Jerosalema ny voasesitany.


Fa ny Israelita hafa avy any an-tsesitany dia nanaraka izany avokoa. I Hezrà mpisorona kosa nifidy lehilahy izay loham-pianakaviana araka ny tarika isany avy, sady samy voatonona anarana tsirairay; ka ireo lehilahy ireo no nipetraka handamina izany raharaha izany tamin’ny andro voalohan’ny volana fahafolo.


Dia nisy teny nalefa eran’i Jerosalema sy i Joda ho an’ireo Israelita tafaverina avy any an-tsesitany mba hivory ao Jerosalema;


Ka dia tsy hay navahany ny hobin-kafalian’ny andaniny sy ny feo fitomanian’ny ankilany, satria samy nanao horakoraka mafy sy re lavitra tokoa ny olona.


Ny Israelita nody avy any an-tsesitany, na mpisorona na levita na ny sarambabem-bahoaka, dia nitokana ny tranon’Andriamanitra tamim-pifaliana.


Ny andro voalohan’ny volana voalohany no niaingan’i Hezrà avy tany Babilôna; ary ny andro voalohan’ny volana fahadimy no nahatongavany tao Jerosalema noho ny fiarovana mahery nombàn’Andriamanitra azy.


Tamin’izay dia nentina teo anatrehan’ny mpanjaka i Daniela, ka nitenenany hoe: –Ianao ve no Daniela, isan’ny Jiosy babo izay nentin’ny mpanjaka raiko avy any Joda?


Izao no aoka ho fantatrao sy ho azonao: manomboka amin’ny fotoana nivoahan’ny hafatra mampanamboatra indray an’i Jerosalema, ka hatramin’ny fotoana isehoan’ilay mpitarika voahosotra, dia hisy fito taona impito. Avy eo, mandritra ny fito taona in-62 dia hamboarina indray ny tanàna sy ny hady, nefa ho androm-pahoriana izany.


satria varavarana lehibe no misokatra ho ahy hahazoako miasa tsara eto, na dia maro aza ny mpanohitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra