1 Nony tonga ny volana fahafito, ka efa tafapetraka tamin’ny tanànany avy ny zanak’i Israely, dia nivory tany Jerosalema, toy ny olona iray ihany, ny vahoaka.
«Samy nipetraka teny amin’ny tanànany avy ny mpisorona, ny levita, ny mpiandry varavarana, ny mpihira, ny sarambabem-bahoaka sasantsasany toy ny mpanampy levita, ary ny Israelita hafa rehetra.» Nony tonga ny volana fahafito, ireo vahoaka israelita, rehetra, izay efa samy tafapetraka teny amin’ny tanànany avy,
Dia nivory toy ny olona iray ihany; teo amin’ny kianja anoloan’ny Vavahadin’ny Rano no nivoriany tamin’ny andro voalohan’io volana io. Nasain’ny vahoaka nalain’i Hezrà mpahay Lalàna ny bokin’ny Lalàn’i Mosesy, izay nandidian’ny TOMPO an’ireo Israelita. Dia nentin’i Hezrà mpisorona izany ho eo anatrehan’ny Fiangonana izay nahitana ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny zaza rehetra efa mahahaino.
Dia hitany voasoratra tao amin’io lalàna izay nampitain’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Mosesy io, fa tokony hitoetra amina tranotomboka ny Israelita mandritra ny fankalazana ny Tranotomboka amin’ny volana fahafito.
«Izao no lalàna raikitra ho anareo: Ny andro fahafolo amin’ny volana fahafito, dia aoka ianareo hifady hanina sady tsy hanao raharaha akory, na ianareo Israelita tompontany na ireo vahiny valovotaka eo aminareo.
mba hamepetra ny Israelita hoe: «Ny andro voalohan’ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo; hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo amin’izany ka hihobianareo Ahy mba hahatsiarovako anareo.
Intelo isan-taona ny lehilahy rehetra aminareo no hiseho eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo any amin’ny toerana izay hofidiny, dia amin’ny fankalazana ny mofo tsy misy leviora sy ny fankalazana ny Pentekôsta ary ny fankalazana ny Tranotomboka. Ary aoka tsy ho tanam-polo no hisehoany eo anatrehan’ny Toeramasin’ny TOMPO;
Dia niainga ny Israelita rehetra ary tafangona toy ny olona iray izy hatrany Dana ka hatrany Beera-Seba sy hatrany amin’ny faritr’i Gilehada no nivory teo anatrehan’ny TOMPO tao Mitsepà.