Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Ezra 10:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Aoka hifanaiky amin’Ilay Andriamanitsika izahay fa handroaka mbamin-janany ireo vehivavy rehetra hafa firenena ireo. Harahinay ny anatra nataonao sy naroson’izay fatra-panaja ny didin’Andriamanitra; aoka hatao araka ny lalànany tokoa izany!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Koa aoka izahay hanao fanekena amin’Andriamanitsika ka hisaotra ny vady rehetra sy hanary izay naterany araka ny anatra nataonao, tompokolahy, sy araka ny anatra nataon’ireo izay mangovitra noho ny didin’Andriamanitsika; ary aoka hatao araka ny lalàna izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Aoka hifanaiky amin’Ilay Andriamanitsika izahay fa handroaka mbamin-janany ireo vehivavy rehetra hafa firenena ireo. Harahinay ny anatra nataonao sy naroson’izay fatra-panaja ny didin’Andriamanitra; aoka hatao araka ny lalànany tokoa izany!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Aoka hanao amin’ny Andriamanitsika izahay izao, fa horoahinay mban-janany ireo vehivavy rehetra ireo, araka ny torohevitry ny tompoko sy ireo matahotra eo anoloan’ny didin’Andriamanitsika; dia aoka hatao araka ny lalàna izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Koa aoka izahay hanao fanekena amin’Andriamanitsika hisaotra ny vady rehetra sy hanary izay naterany araka ny anatra nataonao, tompokolahy, sy izay mangovitra noho ny didin’Andriamanitsika; ary aoka hatao araka ny lalàna izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Koa aoka izahay hanao fanekena amin'Andriamanitsika hisaotra ny vady rehetra sy hanary izay naterany araka ny anatra nataonao, tompokolahy, sy izay mangovitra noho ny didin'Andriamanitsika; ary aoka hatao araka ny lalàna izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 10:3
25 Rohy Ifampitohizana  

Nampanaovin’i Jôiadà fanekempihavanana tamin’ny TOMPO ny mpanjaka sy ny olona teo mba ho vahoakan’ny TOMPO izy rehetra; ary dia nasainy nanao fifanekena koa ny mpanjaka sy ny olona.


Koa nanapa-kevitra aho ny hanao fanekempihavanana amin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely mba hiala amintsika ny fahatezerany mirehitra.


Ny fahefàn’Andriamanitra kosa dia niasa tamin’ny Jodeanina ka nampiray fo azy hankatò ny didin’ny mpanjaka sy ny manampahefana, araka ny tenin’ny TOMPO.


–Ndeha anontanio ny TOMPO ho ahy sy ho an’ny olona sisa tavela eto Israely sy Joda ny amin’ny teny raketin’io boky vao hita io. Ireo razantsika manko tsy nitandrina ny tenin’ny TOMPO sady tsy nanao araka izay rehetra voasoratra anatin’io boky io, hany ka mafy ny fahatezerana atosakin’ny TOMPO amintsika.


Ny amin’ny teny izay efa renao, dia nino anatra ianao ka niaiky heloka teo anatrehako, rehefa nihaino ny teniko ny amin’ity tanàna ity sy ny mponiny. Ary satria niaiky heloka teo anatrehako ianao ka nandriatra fitafiana sady nitomany, dia efa nihaino anao koa Aho; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Koa samia ianareo miaiky heloka amin’ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo sy manao ny sitrapony; ary misaraha amin’ny valovotaka mponin’ity tany ity sy amin’ny vehivavy hafa firenena nalainareo ho vady.


Ireo lehilahy rehetra ireo no samy efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny, sady efa niteraka ny vehivavy sasantsasany tamin’ireny.


Nony afaka telo andro, izany hoe ny andro faharoapolon’ny volana fahasivy, dia vory tao Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin’i Joda sy i Benjamîna; ary nipetraka teo an-kianjan’ny tranon’Andriamanitra ny vahoaka rehetra ka samy nangovitra noho izany toe-draharaha izany, ary koa noho ny ranonorana be.


ka mbola tafapetraka toy izany ihany mandra-pahatongan’ny fotoana fanolorana ny sorona hariva. Dia nivory teo amiko izay rehetra fatra-panaja ny tenin’Ilay Andriamanitr’i Israely ny amin’ny fahadisoan’ireo Jiosy efa tafaverina avy any an-tsesitany.


Noho izany rehetra nanjo anay izany, dia fanomezan-toky mafy no nataonay sy naraikitray an-tsoratra. Taratasy nasiana tombokase izy io sady nosoniavin’ny mpanapaka anay sy ny levitanay ary ny mpisoronay.


Dia hitany voasoratra tao amin’io lalàna izay nampitain’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Mosesy io, fa tokony hitoetra amina tranotomboka ny Israelita mandritra ny fankalazana ny Tranotomboka amin’ny volana fahafito.


Mihorohoro ny nofoko noho ny aminao, fa atahorako tokoa ny fitsipikao.


Mandinika ny fitondrantenako aho, ka manitsy dia amin’ny fitsipikao.


Fa izao rehetra izao dia nataon’ny tanako, ka dia Ahy avokoa izao rehetra izao; teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Kanefa ny olona tsinjoviko dia ny mahantra sy ny torotoro fanahy ary ny mandray ny teniko amin-kovitra.


Izao kosa no havalinareo izany: «Ao amin’ny fampianarana sy ny hafatry ny TOMPO ihany no tsy maintsy hiverenana.» Fa izay tsy miteny araka izany baiko izany dia tsy hiposahan’ny taratry ny maraina.


ka nanao taminy hoe: «Mandehana mamakivaky eran’ny tanànan’i Jerosalema, ka asio marika eny an-kandrin’izay rehetra mitaraina sy malahelo noho ny fomba rehetra maharikoriko atao eo aminy.»


Dia hasandrany ho vahoakany ianareo ary Izy ho Andriamanitrareo, araka izay nampanantenainy taminareo sy nianianany tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razambenareo.


Dia nankany amin’i Josoa sy ny Israelita izay nitoby tao Gilgala ry zareo ka nanao taminy hoe: –Avy any an-tany lavitra izahay no tonga hangataka anareo hanao fanekempihavanana aminay izao!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra