Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Ezra 1:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Ny olona rehetra nifanakaiky taminy dia nanampy azy tamin’ny fanaka volafotsy sy volamena, fananana hafa sy biby fiompy ary zavatra sarobidy mbamin’ny fanomezana an-tsitrapo ho an’ny tempoly.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Izay rehetra manodidina dia nampahery azy ireo tamin’ny fanolorana fanaka volafotsy sy volamena, fanaka hafa, biby fiompy ary zava-tsoa mbamin’izay rehetra nateriny an-tsitrapo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Ny olona rehetra nifanakaiky taminy dia nanampy azy tamin’ny fanaka volafotsy sy volamena, fananana hafa sy biby fiompy ary zavatra sarobidy mbamin’ny fanomezana an-tsitrapo ho an’ny tempoly.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Samy nanampy azy ireo avokoa ny olona nifanakaiky taminy, tamin’ny fanaka volafotsy, volamena, fanaka hafa, biby fiompy ary zavatra sarobidy, mbamin’ny fanomezana an-tsitrapo rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary izay rehetra manodidina dia nampahery ny tànan’ireo tamin’ny fanaka volafotsy sy volamena sy fanaka hafa sy biby fiompy ary zava-tsoa mbamin’izay rehetra nateriny tamin’ny sitrapo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary izay rehetra manodidina dia nampahery ny tànan'ireo tamin'ny fanaka volafotsy sy volamena sy fanaka hafa sy biby fiompy ary zava-tsoa mbamin'izay rehetra nateriny tamin'ny sitrapo.

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 1:6
12 Rohy Ifampitohizana  

Dia samy faly ny besinimaro nanolotra fanomezana an-tsitrapo, satria tamin’ny fony manontolo no nanaovany an’izany ho an’ny TOMPO; ary faly dia faly koa i Davida mpanjaka.


Na aiza na aiza onenan’ireo sisa tavela amin’izany vahoaka izany dia aoka ny tompontany hanome azy volafotsy sy volamena ary koa fananana hafa sy biby fiompy mbamin’ny fanatitra an-tsitrapo ho an’ilay tranon’Andriamanitra any Jerosalema.»


Tamin’ny andro fahefatra no nandanjana ny volafotsy sy volamena ary fanaka, alohan’ny hanolorana azy an’i Meromôta mpisorona, zanakalahin’i Orià, izay nampian’i Elehazara, zanakalahin’i Pinehasa, ary koa ny levita anankiroa, dia i Jôzabada zanakalahin’i Jesoa, sy i Nôhadià zanakalahin’i Binoy.


Ny hampatahotra anay manko no kendren’izy rehetra, satria heveriny fa ho kivy amin’ny asa izahay ka tsy hahatontosa. «Koa ankehitriny herezo aho, Andriamanitra ô!»


Izay rehetra namabo ny razanay dia nataony nahay nangoraka azy.


Miaramila voafantina no miaraka aminao amin’ny andro amorianao ny tafikao. Eny amin’ny tendrombohitra masina no hanatona Anao ireo zatovolahinao toy ny ando napoitran’ny mazavatsinanana.


Dia nanao araka izay nolazain’i Mosesy ny Israelita ka nangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana tamin’ny Ejiptianina.


Nataon’ny TOMPO nahazo sitraka tamin’ny Ejiptianina ka nahazo izay rehetra nangatahiny; ary nofoanan’izy ireo mihitsy ny teo an-tanan’ny Ejiptianina.


Ampaherezo ny tanana miraviravy ary hatanjaho ny lohalika malemy.


Aoka samy hanome araka izay nokasain’ny fony avy, tsy amin’alahelo na an-terivozona, satria ny mpanome an-kafaliana no tian’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra