Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Eksodosy 31:13 - DIEM PROTESTANTA

13 mba hamepetra ny Israelita hoe: –Tsy maintsy hajainareo mihitsy ny andro sabata, satria ny sabata no mariky ny fifandraisako aminareo isaky ny taranaka mifandimby, ka hiekena fa Izaho no TOMPO Izay nifidy anareo ho vahoakako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Milazà amin’ny Zanak’Israely hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho Amiko sy ho aminareo hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO izay manamasina anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 mba hamepetra ny Israelita hoe: –Tsy maintsy hajainareo mihitsy ny andro sabata, satria ny sabata no mariky ny fifandraisako aminareo isaky ny taranaka mifandimby, ka hiekena fa Izaho no TOMPO Izay nifidy anareo ho vahoakako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 «Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao amin’izy ireo hoe: Aza disoina ny fitandremana ny sabatako fa ho Ahy sy ianareo dia io no famantarana amin’ny taranakareo rehetra hahafantaranareo fa Izaho Iaveh no nanamasina anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary dia milazà amin’ny Zanak’Isiraely hianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin’ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary dia milaza amin'ny Zanak'Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 31:13
24 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny alalan’i Mosesy mpanomponao no nampahalalanao azy ny Sabata izay andro voatokana ho Anao sy nanoloranao azy didy sy fepetra ary lalàna.


Niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO,


Io andro io hatrany hatrany no ho mariky ny fifandraisana amiko sy amin’ny Israelita; enina andro manko no namoronako ny lanitra sy ny tany, fa tamin’ny andro fahafito dia nitsahatra Aho ary niala sasatra.


Sambatra ny olona manatanteraka izay lazaiko sy mifikitra mafy amin’izany, ka mitandrina ny sabata fa tsy manimbazimba azy, ary mitandrina ny tanany tsy hanao ratsy.»


Aza mitondra entana mivoaka ny tranonareo amin’ny andro sabata na manao raharaha akory amin’izany; fa atokany ho Ahy ny andro sabata tahaka izay efa nandidiako ny razanareo.


Nomeko azy koa ny andro sabatako mba ho mariky ny fifandraisany amiko sy mba hiekeny fa Izaho TOMPO no nanokana azy Israelita ho Ahy.


Atokany ho Ahy ny andro sabatako mba ho mariky ny fifandraisanareo amiko ary mba hiekenareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.›


Amin’izay dia hoeken’ireo hafa firenena fa Izaho no TOMPO, Izay manokana an’i Israely hanompo Ahy rehefa tafaorina eo anivonareo mandrakizay ny tempoliko.»


Izy no ho mpitsara amin’ny fifanolanana ary hamoaka didim-pitsarana araka ny lalànako. Hankalaza ny fetim-pivavahana araka ny fitsipika sy ny fepetra nataoko izy sady hanokana ny andro sabata ho Ahy.


«Samia manaja ny ray aman-dreninareo, ary tandremo ny sabata nodidiako hitsaharana. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.


Tandremo ny sabata nodidiako hitsaharana ary hajao ny Toeramasina onenako. Izaho no TOMPO.


«Imasoy hotanterahinareo ny lalànako rehetra. Izaho no TOMPO Izay nanokana anareo mba ho vahoakako.


Ianareo Israelita kosa dia aoka hihevitra ny mpisorona ho olona voatokana, satria ny sakafo aroso ho Ahy Andriamanitrareo no atolony. Eny, aminareo ny mpisorona dia ho olona voatokana; satria Izaho TOMPO, Izay nanokana anareo Israelita ho vahoakako, dia masina.


«Andro enina no hanaovan-draharaha; fa ny fahafito dia sabata tena andro fitsaharana, ka hasiana fanompoam-pivavahana hivorianareo. Aza manao raharaha akory ianareo, fa sabata hanajana Ahy TOMPO izany, na aiza na aiza onenanareo.


mba hamepetra ny Israelita hoe: «Rehefa tafiditra ny tany izay omeko anareo ianareo, dia aoka ny tany volena homenareo fialàn-tsasatra mitsingerina mba ho mari-panajàna Ahy TOMPO.


«Tandremo ny sabata nodidiako hitsaharana ary hajao ny Toeramasina onenako. Izaho no TOMPO.


ka velom-panontaniana anakampo hoe: Rahoviana no hifarana ny fetin’ny tsinam-bolana ka hivarotantsika vary? Rahoviana no hifarana ny sabata, mba hanokafantsika ny sompitra? Hohakelezintsika ny zinga famarana, hampitombointsika ny vato fandanjana, mizàna mandainga no hampiasantsika,


Tsy misaina sady jamba ianareo! Inona no mendri-kaja kokoa, ny volamena sa ny Toeramasina izay mahamasina ny volamena?


Atokàny ho Anao araka ny hafatra marim-pototra ireo: ny teninao no hafatra marim-pototra.


Ho azy ireo no anokanako tena aminao, mba ho voatokana ho Anao araka ny hafatra marim-pototra koa ireo.


«Mitandrema ny andro sabata mba hanokananao azy ho Ahy TOMPO Andriamanitrao, araka izay nandidiako anao.


Ilay Andriamanitra loharanon’ny fiadanana anie hahatonga anareo ho voatokana tanteraka ho Azy; ka harovany avokoa anie ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo mba tsy hanan-tsiny amin’ny andro hiavian’i Jesoa Kristy Tompontsika!


Avy amiko Joda ity taratasy ity, dia izaho mpanompon’i Jesoa Kristy sady rahalahin’i Jakôba. Mamangy anareo voaantson’Andriamanitra aho, dia ianareo tiavin’Andriamanitra Ray sy tahiriziny ho an’i Jesoa Kristy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra