Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Eksodosy 29:32 - DIEM PROTESTANTA

32 Hohanin’i Aharôna sy ny zanany, miaraka amin’ny mofo sisa ao amin’ny harona, eo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

32 Ary hohanin’i Arona sy ireo zanany eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ny henan’ny ondrilahy sy ny mofo izay ao anatin’ny harona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

32 Hohanin’i Aharôna sy ny zanany, miaraka amin’ny mofo sisa ao amin’ny harona, eo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

32 Dia hohanin’i Aarôna sy ny zanany eo anoloan’ny trano lay fihaonana ny henan’ny ondralahy, sy ny mofo ao anatin’ny sobika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

32 Ary hohanin’i Arona sy ny zanany eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana ny henan’ny ondrilahy sy ny mofo izay eo anatin’ny harona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

32 Ary hohanin'i Arona sy ny zanany eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ny henan'ny ondrilahy sy ny mofo izay eo anatin'ny harona.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 29:32
8 Rohy Ifampitohizana  

Hakanao mofo boribory iray sy mofomamy misy diloilo iray, ary mofo manify iray avy ao amin’ny harona misy ny mofo tsy misy leviora izay apetraka eo anatrehako Izaho TOMPO.


«Halaina ny ondrilahy fanokanana, ilay faharoa, dia handrahoina ao amin’ny toerana iray voatokana ny henany.


Izy ireo ihany no mahazo mihinana izay nampiasaina tamin’ny fanokanana sy ny fametrahana azy eo amin’ny raharahany mba hahazoany famelan-keloka amin’ny Tompo. Tsy misy olon-kafa mahazo mihinana ireo, fa sakafo masina ireo.


Ary hoy i Mosesy tamin’i Aharôna sy ny zanany: –Andrahoy eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana ny henan’ilay ondrilahy faharoa; ary eo no hihinananareo azy mbamin’ny mofo izay ao anatin’ny harona misy ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako anareo.


Niditra tao an-tranon’Andriamanitra ry i Davida, ka nihinana ny mofo apetraka eo anatrehan’Andriamanitra izy mbamin’ny olona niaraka taminy; kanefa izany mofo izany tsy azon’izy ireo hanina fa natao ho an’ny mpisorona irery ihany!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra