Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Eksodosy 25:38 - DIEM PROTESTANTA

38 Ny tandra sy ny fitoeran-davenon-jiro dia hatao volamena madio.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

38 Ary ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony dia ataovy volamena tsy miharo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

38 Ny tandra sy ny fitoeran-davenon-jiro dia hatao volamena madio.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

38 Ataovy volamena madio ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

38 Ary ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony dia ataovy volamena tsara.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

38 Ary ny hetin-jirony Sy ny fitoeran-davenon-jirony dia ataovy volamena tsara.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 25:38
10 Rohy Ifampitohizana  

ny koveta, ny antsy, ny tsatokaty famafazana, ny kaopy, ny sotro ary ny fitaovam-panembohana dia samy volamena madio avy; ny savilim-baravaran’ny efitra atao hoe Toeramasina Indrindra sy ny savilim-baravaran’ilay efitrano malalaka dia samy volamena avokoa.


mbamin’ny mpandatsa-biriky sy ny mpipai-bato ary koa hividianana hazo sy vato voapaika hanamboarana ny simba amin’ny tranon’ny TOMPO sy hiantohana izay fandaniana hafa rehetra ilaina amin’izany.


Nalainy koa ny fanaka halimo rehetra fampiasa amin’ny fanompoam-pivavahana, dia ny vilany fasian-davenona sy ny sotron’afo mbamin’ny antsy sy ny lovia.


ny sary felam-boninkazo sy ny lelan-jiro ary ny hetin-jiro, izay momba ny fitoeran-jiro, dia samy volamena faran’izay tsara;


Jiro fito no hamboarina ka hapetraka eo amin’io fitoeran-jiro io mba hanazava ny anoloany.


Vongam-bolamena madio telopolo kilao no hampiasaina hanaovana ny fitoeran-jiro sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy.


Namboarina ny jiro fito sy ny tandra ary ny fitoeran-davenon-jiro, ka samy natao volamena madio avokoa.


Kinanjo nanidina nanatona ahy ny iray tamin’ireo serafima, nitondra vainafo teny an-tanany, dia vainafo avy nalainy tamin’ny tandra teo amin’ny alitara.


Nalainy koa ny fanaka halimo rehetra fampiasa tamin’ny fanompoam-pivavahana, dia ny vilany fasian-davenona sy ny sotron’afo mbamin’ny antsy sy ny tsatokaty famafazana ary ireo lovia madinika.


Haka lamba volomparasy izy handrakofany ny fitoeran-jiro mbamin’ny jiro sy ny kojakojany rehetra: dia ny hetin-jiro sy ny fitoeran-davenona ary ny tavoaran-diloilo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra