Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Apokalipsy 16:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Dia nandraraka ny tao an-doviany tamin’ny masoandro ny anjely fahefatra, ka navela handoro ny olona tamin’ny afony ny masoandro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Ary ny fahefatra dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ny masoandro. Nasaina nandoro ny olona tamin’ny afo izy

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Dia nandraraka ny tao an-doviany tamin’ny masoandro ny anjely fahefatra, ka navela handoro ny olona tamin’ny afony ny masoandro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’ny masoandro koa ny Anjely fahefatra, dia nasaina nandoro ny olona tamin’ny afo io,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary ny fahefatra nampidina ny tao an-doviany tamin’ny masoandro; dia nasaina nandoro ny olona tamin’ny afo izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary ny fahelatra nampidina ny tao an-doviany tamin'ny masoandro; dia nasaina nandoro ny olona tamin'ny afo izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 16:8
11 Rohy Ifampitohizana  

Amin’izay noho ny henatra dia hivoaramena ny volana ary hivaloarika ny masoandro; fa ny TOMPOn’izao rehetra izao no hanjaka ao Jerosalema, eo an-tendrombohitra Tsiôna, sady hamirapira-boninahitra eo anatrehan’ireo loholony.


Koa rehefa niposaka ny masoandro, dia nandefa rivotra mahamay avy any atsinanana Andriamanitra. Namely ny lohan’i Jônà ny masoandro ka nila hanafotra azy. Dia naniry ny ho faty izy ka nivavaka hoe: «Aleoko maty toy izay velona.»


saingy nony nipoaka ny andro, dia nalazon’ny hafanana ireo tsimoka ireo ka maina, satria tsy namaka lalina.


–Hisy famantarana koa eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana; ary etỳ an-tany dia ho ory sy ho very hevitra ny firenena noho ny ranomasina hikotrokotroka sy hanonja izaitsizy.


hiova ho haizina ny masoandro ary ny volana ho tonga mena tahaka ny ra alohan’ny higadonan’ny andro hiavian’ny Tompo, dia ilay andro lehibe sy mamirapiratra.


Ary nisy anjely anankiray hafa koa nipoitra avy teo amin’ny alitara, dia anjely manam-pahefana amin’ny afo. Niantso tamin’ny feo mahery izy ka nanao tamin’ilay anjely manana antsy maranitra fijinjana hoe: «Ampiasao ny antsy fijinjànao ka otoazy ny sampahom-boaloboka eny amin’ny tany; fa masaka tsara ny voalobony.»


Ary nijery aho rehefa novahan’ny Zanakondry ny tombokase fahenina, ka nisy horohorontany mahery vaika; tonga mainty tahaka ny akanjo volon’osy ny masoandro; tonga mena tahaka ny ra ny volana manontolo;


Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana.


Nitsoka trompetra ilay anjely fahefatra, dia niharan-doza ny ampahatelon’ny masoandro sy ny ampahatelon’ny volana ary ny ampahatelon’ireo kintana rehetra, mba tsy hamiratra intsony mandritra ny ampahatelom-potoana famiratany; ka tsy nisy hazavan’ny masoandro intsony nandritra ny ampahatelon’ny antoandro, ary tsy nisy hazavan’ny volana aman-kintana toy izany koa nandritra ny ampahatelon’ny alina.


Dia nosokafany ny vavalavak’ilay hantsambe, ka nisy setroka niakatra avy ao tahaka ny setroka avoakan’ny lafaoro lehibe; ary nihamaizina ny masoandro sy ny habakabaka noho ny setroka navoakan’ny vavalavaka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra