Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Apokalipsy 13:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Ary nanoka-bava izy hanevateva an’Andriamanitra, dia ny hanevateva ny anarany sy ny toerana fonenany mbamin’ireo mponina any an-danitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Dia nanokatra ny vavany hiteny ratsy an’Andriamanitra izy, dia ny hiteny ratsy ny anarany sy ny tabernakeliny, dia ireo monina any an-danitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Ary nanoka-bava izy hanevateva an’Andriamanitra, dia ny hanevateva ny anarany sy ny toerana fonenany mbamin’ireo mponina any an-danitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Dia nanokatra ny vavany izy, ka nanevateva an’Andriamanitra sy nanevateva ny Anarany mbamin’ny tranolainy, sy ireo monina any an-danitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary nanokatra ny vavany hiteny ratsy an’Andriamanitra izy, dia ny hiteny ratsy ny anarany sy ny tabernakeliny, dia ireo mitoetra any an-danitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary nanokatra ny vavany hiteny ratsy an'Andriamanitra izy, dia ny hiteny ratsy ny anarany sy ny tabernakeliny, dia ireo mitoetra any an-danitra.

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 13:6
26 Rohy Ifampitohizana  

Niloa-bava ihany i Jôba tamin’ny farany ka nanozona ny andro nahaterahany.


Misoka-bava hamely an’Andriamanitra any an-danitra izy ary manao teny manodoka mahatety ny tany.


«Ary ny mpanjaka hanao araka izay sitrapony; dia hanandra-tena sy hihevi-tena ho ambonin’ny andriamanitra rehetra ka hiteny zava-mampivarahontsana hanohitra an’ilay Andriamanitry ny andriamanitra. Ary hanam-pahombiazana izy ambara-pihatran’ny fahatezeran’Andriamanitra, satria ho tanteraka izay efa voatendry.


Hilaza teny manohitra ny Avo Indrindra izy, hampahory ny vahoakan’ilay Avo Indrindra sady mihevitra hanova ny fankalazana sy ny lalàna; ary hatolotra eny an-tanany nandritra ny telo taona sy tapany io vahoakan’Andriamanitra io ireo.


Raha mbola nandinika ireo tandrony aho, indro nisy tandroka kely hafa nipoitra teo anivon’ireo ka nahongotra ireo tandroka telo teo anoloany; io tandroka io dia nanana maso roa toy ny mason’olona sy nanana vava miteny avonavona mihoa-pampana.


Ry tarana-menarana, hataonareo ratsy fanahy ahoana no fiteny zavatra tsara? Izay mameno ny fon’ny olona manko no aloaky ny vavany.


Satria avy ao am-pon’ny olona no ipoiran’ny sain-dratsy mahatonga azy hamono olona, haka vadin’olona, hijangajanga, hangalatra, hanao vavolombelona tsy marina, ary hanao vava ratsy.


Ilay Teny dia tonga olombelona, ka niara-nonina taminay. Feno fahasoavana sy fahamarinana Izy ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra avy amin’ny Ray ho an’ny Zanaka lahitokana.


«Fasana misokatra ny tendany: entiny mamitaka ny lelany.» «Poizina menarana ny teniny»;


Fa tao aminy no sitrak’Andriamanitra hitoeran’ny hafenoana tanteraka;


satria ao amin’i Kristy, araka ny maha olombelona Azy, no mitoetra tanteraka ny hafenoan’ny fomban’Andriamanitra.


Fa nisy tranolay voavoatra, dia ny tranolay voalohany izay antsoina hoe Toeramasina: tao no nisy ny fitoeran-jiro sy ny latabatra fametrahana ny mofo atolotra ho an’Andriamanitra.


Fa ny Toeramasina nataon’olombelona, izay sarintsarin’ny tena izy, no nidiran’i Kristy; fa ny lanitra mihitsy no nidirany mba hahazoany ankehitriny mangataka amin’Andriamanitra ho antsika.


Dia nahare feo mahery avy tany an-danitra ireo mpaminany roa ireo, nanao taminy hoe: «Miakara atỳ!» Dia niakatra ho any an-danitra tao anatin’ny rahona ireo, ary nahatazana azy ny fahavalony.


Noho izany, mifalia, ry lanitra sy ianareo monina ao aminy. Mampalahelo ianareo, ry tany aman-dranomasina, fa nidina any aminareo ny devoly sady misafoaka mafy, satria fantany fa kely sisa ny androny!»


Taorian’izany, dia hitako novohàna tany an-danitra ny tempoly nisy ilay fonena-masina itahirizana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana;


Mifalia amin’ny manjo an’i Babilôna ianao, ry lanitra, sy ianareo vahoakan’Andriamanitra mbamy ianareo apôstôly sy mpaminany, satria efa nitsara azy Andriamanitra ka nanome rariny anareo!


Ary nisy feo mahery reko avy teo amin’ilay sezafiandrianana ka nanao hoe: «Indro ny fonenan’Andriamanitra tonga eny amin’ny olona, ary Andriamanitra dia hiara-monina aminy; ka izy ireo ho vahoakany, ary ilay Andriamanitra miaraka aminy kosa ho Andriamanitr’izy ireo.


Taorian’izany, dia indro hitako nisy varavarana nivoha tany an-danitra; ary ilay feo tany am-boalohany, izay efa reko niteny tamiko tahaka ny feon-trompetra, no nanao tamiko hoe: –Miakara atỳ, dia hasehoko anao ny zavatra tsy maintsy ho avy manaraka.


Nanotrona io sezafiandrianana io dia nisy sezafiandrianana hafa 24; ary teo ambonin’ireo sezafiandrianana ireo dia nisy loholona 24 nipetraka, niakanjo akanjo fotsy sady nisatroka satroboninahitra volamena.


Ary ny voaary tontolo eny ana habakabaka sy etỳ an-tany ary any ambanin’ny tany sy any an-dranomasina, izany hoe ny zavatra rehetra ao anatin’ireo, dia reko samy nanao hoe: «An’Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana sy an’ny Zanakondry ny dera sy ny haja ary ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay!»


Noho izany, dia mitoetra eo anoloan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra izy ireo ka manompo an’Andriamanitra andro aman’alina ao an-tempoliny; ary Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana dia hiara-monina aminy ka hiaro azy.


Taorian’izany, dia indreo hitako nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena sy ny fokom-pirenena ary ny vahoaka mbamin’ny olona samy hafa fiteny rehetra, niakanjo fotsy lava sy nitana sampan-drofia teny an-tanany. Nijoro teo anoloan’ny sezafiandrianana sy ny Zanakondry ireo,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra