Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Apokalipsy 1:15 - DIEM PROTESTANTA

15 ny tongony mangirangirana tahaka ny halimo manganohano, hoatra ilay halimo voadio tamin’ny memy afo; ary ny feony midoboka tahaka ny firohondrohon’ny ranobe.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 ny tongony dia tahaka ny varahina manganohano, ohatra ilay mivaivay avy tao amin’ny lafaoro iny, ary ny feony dia toy ny firohondrohon’ny ranobe.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 ny tongony mangirangirana tahaka ny halimo manganohano, hoatra ilay halimo voadio tamin’ny memy afo; ary ny feony midoboka tahaka ny firohondrohon’ny ranobe.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 ny tongony toy ny varahina manganohano voadio tamin’ny memy afo, ary ny feony toy ny firohondrohon’ny rano be.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio teo amin’ny fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny firohondrohon’ny rano be.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio teo amin'ny fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny firohondrohon'ny rano be.

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 1:15
11 Rohy Ifampitohizana  

Fa mahery noho ny feon’ny ranobe sy ny fidoboky ny onja vaventy, TOMPO ô, ny fanapahanao any ambony any.


Ny fitrenan’ireo firenena dia toy ny fitrenan’ny ranomasimbe. Nefa rahonan’ny Tompo izy ireny ka lasa mandositra lavitra, toy ny akofa paohin’ny rivotra eny an-tendrombohitra sy tahaka ny vonin-javatra atambolimbolin’ny tadio.


Ary nandre ny fikopakopaky ny elany aho rehefa nanidina ireto zava-miaina, fa toy ny firohondrohon’ny ranomasina izany, sy tahaka ny feon’Andriamanitra Tsitoha na ny fireondreonan’ny tafika marobe. Rehefa nijanona kosa izy, dia nafihiny ny elany.


Mahitsy ny tongony; ary ny faladiany dia toy ny kitron’ombilahikely, ka mamirapiratra toy ny halimo voadio.


Nentiny nankao aho, ka hitako nisy lehilahy iray mitarehina halimo, mitana tady rongony sy volotara fandrefesana sady nijoro teo akaikin’ny vavahady.


Koa hitako tonga avy any atsinanana ny voninahitr’ilay Andriamanitr’i Israely; narahina feo tahaka ny firohondrohon’ny ranomasina izany ary nanazava ny tany tamin’ny famirapiratany.


Tahaka ny vatosoa no fijerena ny tenany ary tahaka ny tselatra no famirapiratry ny tarehiny, toy ny fanilo mirehitra ny masony, toy ny halimo manganohano ny tanany sy ny tongony, ary ny feony dia tahaka ny feon’olona marobe.


Dia hitako nisy anjely anankiray hafa manan-kery, nidina avy tany an-danitra: ka rahona no toy ny lamba nisalorany; voahodidin’avana ny lohany; namiratra tahaka ny masoandro ny tavany; mivaivay tahaka ny andry afo ny tongony;


Ary nahare feo avy tany an-danitra aho, dia feo mireondreona tahaka ny akon’ny rian-drano sy ny kotro-baratra mafy. Ny feo izay reko dia tahaka ny mozikan’ireo mpitendry lokanga mitendry ny lokangany.


Ary nisy hoatra ny feon’olona maro, sy hoatra ny firohondrohon’ny ranobe, ary hoatra ny kotro-baratra mipoaka mafy, reko nanao hoe: «Haleloià! Fa ny Tompo Andriamanitsika, ilay Tsitoha, dia efa nandray ny Fanjakàny!


–Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Tiatira: «Izao no lazain’ilay Zanak’Andriamanitra, dia Ilay manana maso mivaivay tahaka ny lelafo sady manana tongotra mangirangirana tahaka ny varahina manganohano:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra