Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 7:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Ankehitriny no ijeren’ny masoko ary ihainoan’ny sofiko ny vavaka izay atao eto amin’ity toerana ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Ary izao dia hihiratra ny masoko, ary ny sofiko dia hihaino ny vavaka izay atao amin’ity toerana ity;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Ankehitriny no ijeren’ny masoko ary ihainoan’ny sofiko ny vavaka izay atao eto amin’ity toerana ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Ary ankehitriny dia hahiratan’ny masoko sy hohenoin’ny sofiko ny vavaka atao amin’ity fitoerana ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary izao dia hihiratra ny masoko, ary ny sofiko hihaino ny vavaka izay atao amin’ity fitoerana ity;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary izao dia hihiratra ny masoko, ary ny sofiko hihaino ny vavaka Izay atao amin'ity fitoerana ity;

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 7:15
9 Rohy Ifampitohizana  

Aoka hojerenao amin-kamorampo andro aman’alina ity tempoly ity, dia ilay toerana nolazainao fa hampitoeranao ny voninahitrao. Koa mba henoy ny vavaka izay ataoko, rehefa mitodika amin’ity toerana ity aho.


Aoka hojerenao amin-kamorampo andro aman’alina ity tempoly ity, dia ilay toerana nolazainao fa hampitoeranao ny voninahitrao! Koa mba henoy ny vavaka izay ataoko rehefa mitodika amin’ity toerana ity aho.


«Ankehitriny, Andriamanitro ô, enga anie ny masonao hijery ary enga anie ny sofinao hihaino ny vavaka atao aminao eto amin’ity toerana ity.


koa enga anie Ianao hihaino sy hijery ahy! Ekeo ny vavaka izay ataoko aminao ankehitriny fa mpanomponao aho. Andro aman’alina aho no mivavaka aminao ho anay Israelita mpanomponao; avelao heloka izahay fa miaiky ny fahotana nataonay taminao aho. Eny, izaho sy ny razako samy efa nanota avokoa;


Mba henoy, Tompo ô, izany feoko! Ho tandrin’ny sofinao anie ny feoko mitaraina!


Ry Andriamanitra monina ao Tsiôna ô, mendrika hoderaina Ianao sy hanefana ny voady natao.


TOMPO ô, mba atongilano ny sofinao ka mihainoa; TOMPO ô, mba ahirato ny masonao ka mijere; ary aoka ho renao ny teny rehetra izay nampitondrain’i Saneheriba hanevatevana Anao Andriamanitra velona.


tany izay voakarakaran’ny TOMPO Andriamanitrareo sady tsinjovin’ny masony mandrakariva hatreo amin’ny fiandohan’ny taona ka hatrany amin’ny fiafaràny.


satria ny Tompo dia mitsinjo ny olo-marina sy mihaino ny fitarainany, fa tezitra kosa amin’ny mpanao ratsy.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra