Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 6:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Hohenoinao anie ny fifonako sy ny an’ilay Israely vahoakanao, rehefa mivavaka mitodika amin’ity toerana ity izahay. Mba mihainoa any an-danitra toeram-ponenanao Ianao; eny, mihainoa ka mamelà heloka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Ary henoy ny fifonan’ny mpanomponao sy ny Israely olonao raha mivavaka manatrika ity toerana ity izy; dia mihainoa any an-danitra fonenanao Ianao; eny, mihainoa ka mamelà heloka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Hohenoinao anie ny fifonako sy ny an’ilay Israely vahoakanao, rehefa mivavaka mitodika amin’ity toerana ity izahay. Mba mihainoa any an-danitra toeram-ponenanao Ianao; eny, mihainoa ka mamelà heloka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 «Henoy ny fitarainan’ny mpanomponao sy i Israely vahoakanao, raha hivavaka eto amin’ity fitoerana ity. Mihainoa any amin’ny fitoeram-ponenanao any an-danitra; mihainoa dia mamelà heloka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Ary henoy ny fifonan’ny mpanomponao sy ny Isiraely olonao, raha mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy; dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao; eny, mihainoa, ka mamelà heloka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Ary henoy ny fifonan'ny mpanomponao sy ny Isiraely olonao, raha mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy; dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao; eny, mihainoa, ka mamelà heloka.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 6:21
16 Rohy Ifampitohizana  

Nony farany, nitsangana ny levita mpisorona ka nitsodrano ny vahoaka; ary nohenoin’Andriamanitra ny tonombavak’ireo satria tafapaka tany an-danitra izay fonena-masiny.


«Mety hisy olona manota amin’ny namany, ka asaina manao fianianana ombàm-piozonana. Rehefa tonga hanao izany eto anoloan’ny alitaranao amin’ity tempoly ity izy,


dia mba henoy avy any an-danitra toeram-ponenanao ny vavaka amam-pifonana ataony, Tompo ô, ka omeo rariny izy; ary dia avelao heloka ny vahoakanao izay efa nanota taminao!


Hira fiakarana. Aminao no anandratako ny masoko, ry Ilay mitoetra any an-danitra.


Fa izay be ahiahy, mpanonofy ratsy; ary izay be teny mpanao rediredin’adala.


Fa izao no nolazain’ny TOMPO tamiko: «Avy etỳ amin’ny fonenako ambony etỳ no andinihako izay miseho, ka tsy mihontsona mihitsy Aho toy ny hafanana migaingaina apariakan’ny masoandro sy toy ny raho-manify amin’ny fotoam-pijinjana.»


Kanefa Izaho dia Izaho mihitsy no mamela ny fahadisoanao noho ny amin’ny tenako ihany, ka tsy hotsarovako intsony ny fahotanao.


Nofafako toy ny rahona ny fahadisoanao ary nolevoniko toy ny zavona ny fahotanao. Koa miverena amiko ianao fa efa navotako.»


Fa ankehitriny ilay Avo manerinerina, ilay mandrakizay ny fonenany sady masina ny anarany, dia manao izao teny izao: «Any amin’ny toerana avo sy masina no onenako, nefa koa ao amin’ny torotoro fo sy manetry tena mba hamelombelona ny fanahin’ireo manetry tena sy hamelombelona ny fon’ireo torotoro fo.


Tompo ô, mihainoa; Tompo ô, mamelà heloka; Tompo ô, mandrenesa ka miasà; noho ny aminao aza ela Ianao, ry Andriamanitro ô, satria ny tanànanao sy ny vahoakanao dia efa niantsoina ny anaranao hitahianao azy.»


Tsy misy andriamanitra mitovy aminao, ry TOMPO mpanaisotra ny heloka. sy mpamela ny fahadisoana. Noho ireo sisa velona aminay vahoaka fanananao, dia tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay Ianao fa tia maneho fitiavana aminay.


avelao ny helokay, ary tahaka izany koa no amelanay izay meloka taminay;


Koa mivavaha toy izao àry ianareo: «Ry Rainay any an-danitra ô, hohamasinina anie ny anaranao;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra