Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 6:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Efa nanao lampihalimo rahateo i Salômôna, dia lampihalimo izay napetrany teo afovoan’ny kianja: efamira izy io ka mirefy roa metatra sy sasany avy ny lafiny ary iray metatra sy sasany ny haavony. Dia niakatra teo ambonin’io lampihalimo io i Salômôna, ary nandohalika teo anatrehan’ny Israelita rehetra tafangona izy no nanandra-tanana manandrify ny lanitra

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Efa nanao lampivarahina izy, ary napetrany teo afovoan’ny kianja io; dimy hakiho ny lavany, dimy hakiho ny sakany, telo hakiho ny haavony; dia nitsangana teo amin’io izy ka nandohalika teo anatrehan’ny fiangonana, dia ny Israely rehetra, ary namelatra ny tanany manandrify ny lanitra

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Efa nanao lampihalimo rahateo i Salômôna, dia lampihalimo izay napetrany teo afovoan’ny kianja: efamira izy io ka mirefy roa metatra sy sasany avy ny lafiny ary iray metatra sy sasany ny haavony. Dia niakatra teo ambonin’io lampihalimo io i Salômôna, ary nandohalika teo anatrehan’ny Israelita rehetra tafangona izy no nanandra-tanana manandrify ny lanitra

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Fa nanao lampihazo varahina i Salômôna, dia natsangany teo afovoan’ny kianja: dimy hakiho ny lavany, dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny haavony. Niakatra teo izy, dia nandohalika nanatrika ny fiangonan’i Israely rehetra, sy nanandratra ny tanany hanandrandra ny lanitra,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 fa efa nanao fitaingenana varahina izy, ary napetrany teo afovoan’ny kianja io (dimy hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony); dia nitsangana teo amin’io izy ka nandohalika teo anatrehan’ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ary namelatra ny tànany manandrify ny lanitra

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 fa efa nanao fitaingenana varahina izy, ary napetrany teo afovoan'ny kianja io (dimy hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony); dia nitsangana teo amin'io izy ka nandohalika teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ary namelatra ny tànany manandrify ny lanitra

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 6:13
14 Rohy Ifampitohizana  

Ary nohodidinina rindrim-bato voapaika telo andalana mifanongoa sy rairainy sedera iray andalana ny kianja anatiny.


Ary manodidina ny kianja lehibe dia nisy tamboho natao vato voapaika telo andalana mifanongoa sy rairainy sedera iray andalana, tahaka ny tamin’ny kianja anatin’ny tranon’ny TOMPO sy tamin’ny lalantsara fidirana mankao.


Raha vao vitan’i Salômôna izany vavaka sy fifonana manontolo nataony tamin’ny TOMPO izany, dia nitsangana avy teo am-pandohalehana nanoloana ny alitaran’ny TOMPO izy sady nanainga tanana nanandrify ny lanitra.


Ary nataony ny kianjan’ny mpisorona sy ilay kianja hafa lehibe kokoa miaraka amin’ny lelavavahady izay nopetahana takelaka halimo.


Dia nitsangana teo anoloan’ny alitaran’ny TOMPO sady nanatrika ny Israelita rehetra tafangona i Salômôna, ka nanandra-tanana hivavaka.


Tamin’ny fotoana fanolorana ny sorona hariva indrindra vao nody ny aiko, ka tafarina aho; dia mbola amin’ireto lambako sy akanjoko triatra ireto aho no nandohalika sy nanandra-tanana ho amin’ny TOMPO Andriamanitro


Rehefa nandre izany vaovao izany aho, dia nipetraka nitomany sy niferinaina andro maromaro sady nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan’Andriamanitry ny lanitra


Teo ambony lampihazo vao narafitra ho an’io fotoana io no nitsanganan’i Hezrà mpahay lalàna. Ary nitsangana teo anilany ankavanana ry i Matitià sy i Sema, i Hanaià sy i Orià ary i Hilkià sy i Mahaseià; teo ankaviany kosa ry i Pedaià sy i Misaela, i Malkià sy i Hasoma, i Hasbadanà sy i Zakarià ary i Mesolama.


Midira, aoka isika hiankohoka sy hitsaoka, handohalika eo anatrehan’ny TOMPO Mpanao antsika!


Dia namaly azy i Mosesy hoe: –Raha vao mivoaka ny tanàna aho, dia hanandra-tanana amin’ny TOMPO hivavaka. Hitsahatra ny kotroka ary tsy hisy intsony ny havandra, mba hahafantaranao fa an’ny TOMPO ny tany.


Koa dia nosoniavin’i Dariôsa mpanjaka izany didy aman-dalàna izany.


Ary nihataka tamin’ny mpianany tokony ho tra-toraka i Jesoa; dia nandohalika Izy ary nivavaka


Nony avy niteny izany i Paoly, dia nandohalika teo ka niara-nivavaka tamin’izy rehetra.


Nony lany anefa izany herinandro izany, dia lasa nanohy ny dia izahay. Nanatitra anay hatrany ivelan’ny tanàna izy rehetra ombàm-bady aman-janaka; dia niara-nandohalika teo amin’ny torapasika izahay ka nivavaka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra