Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 33:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO izy ka naka tahaka ny fanompoan-tsampy maharikoriko fanaon’ireo firenena izay noroahin’ny TOMPO teo anoloan’ny Israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy, tahaka ny fahavetavetan’ny firenena izay noroahin’NY TOMPO tsy ho eo anoloan’ny Zanak’Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO izy ka naka tahaka ny fanompoan-tsampy maharikoriko fanaon’ireo firenena izay noroahin’ny TOMPO teo anoloan’ny Israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, nanaraka ny fahavetavetan’ny firenena noroahin’i Iaveh teo anoloan’ny zanak’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah izy tahaka ny fahavetavetan’ny firenena izay noroahin’i Jehovah tsy ho eo anoloan’ny Zanak’Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary nanao izay ratsy eo mason'i Jehovah izy tahaka ny fahavetavetan'ny firenena izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 33:2
17 Rohy Ifampitohizana  

dia nandoro sorona hanetona teny amin’ny toeram-panasinana rehetra koa izy tahaka ny nataon’ireo hafa firenena izay noroahin’ny TOMPO tsy ho eo anoloany. Nahavita zava-dratsy tokoa ny Israelita, hany ka nampahatezitra ny TOMPO:


Nolaviny ny lalànan’Andriamanitra sy ny fanekempihavanana izay nataony tamin’ny razany ary ny fampitandremana nananarany azy. Nanenjika zava-poana izy ka dia tonga zava-poana koa; ary nanaraka ny hafa firenena manodidina azy sady efa nandraran’ny TOMPO azy tsy hotahafina.


Nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO izy fa naka tahaka ny fanompoan-tsampy maharikoriko fanaon’ireo firenena izay noroahin’ny TOMPO teo anoloan’ny Israelita.


Kanefa tsy nihaino izany ny Jodeanina, fa vao mainka aza notaomin’i Manase hanao ratsy mihoatra noho ny hafa firenena izay naringan’ny TOMPO tsy ho eo anoloan’ny Israelita.


Nandoro vovo-javamanitra tao amin’ny lohasahan’i Bena-Hinôma koa izy, ary nanolotra ny zanany ho sorona dorana tamin’ny afo, araka ny fomba maharikoriko fanaon’ny hafa firenena izay noroahin’ny TOMPO teo anoloan’ny Israelita.


Nanao izay ratsy teo imason’ny TOMPO izy tahaka an’i Manase rainy. Fa ny sarivongan-tsampy rehetra nataon’i Manase rainy dia nanoloran’i Amôna sorona sy nanaovany fanompoam-pivavahana;


Ny lohandoha-mpisorona sy ny loholom-bahoaka rehetra koa dia naniratsira an’Andriamanitra araka ny fanompoan-tsampy maharikoriko fanaon’ny hafa firenena, ka nandoto ny tempoly izay efa natokan’ny TOMPO ho Azy tao Jerosalema.


Ahoana àry no mbola handikanay ny didinao indray ka hanambadianay amin’ireo olona mpanao zava-maharikoriko ireo? Tsy ho tezitra aminay ve Ianao ka handringana anay rehetra tsy misy ankanavaka?


hany ka hataoko mampivarahontsana izy any amin’ny fanjakana rehetra eran-tany. Noho ny amin’i Manase, zanakalahin’i Hezekià sady mpanjakan’i Joda, no nahatonga izany, dia vokatry ny ratsy nataony tao Jerosalema.


Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO Izay tsy nankatoavinareo lalàna sy tsy narahinareo fitsipika, satria nanaraka ny fomban’ireo firenena nanodidina ianareo.»


Rahatrizay ny TOMPO Andriamanitrareo dia handringana eo anoloanareo ireny firenena natao horesenareo any amin’ny tany izay hidiranareo ireny; handresy azy ianareo ary honina eo amin’ny taniny.


Aza anaovanareo fomba toy izany ilay TOMPO Andriamanitrareo, satria zavatra mahatsiravina sy halan’ny TOMPO no nataon-dry zareo tamin’ny andriamaniny fa hatramin’ny zanany lahy sy vavy aza dia nodorany forehitra tao anaty afo hanajana ny andriamaniny!


Ireo firenena izay efa horoahinareo ireo no mihaino ny mpanandro sy ny mpimasy; fa ianareo kosa tsy avelan’ny TOMPO Andriamanitrareo hanao izany.


Rahatrizay ianareo tafiditra eo amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo, dia aza mianatra maka tahaka ny fomba mahatsiravina fanaon’ireo firenena monina ao ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra