Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 30:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Aza manahaka ny ray aman-dreninareo sy mpiray tampo aminareo, fa nivadika tamin’ny TOMPO Andriamanitry ny razany izy ireo ka dia natolony ho amin’ny faharavana araka izao hitanareo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Aza manahaka ny rainareo sy ny rahalahinareo izay nivadika tamin’NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, ka nanolorany azy ho figagana araka izao hitanareo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Aza manahaka ny ray aman-dreninareo sy mpiray tampo aminareo, fa nivadika tamin’ny TOMPO Andriamanitry ny razany izy ireo ka dia natolony ho amin’ny faharavana araka izao hitanareo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Aza manahaka ny rainareo aman-drahalahinareo, izay nanota tamin’i Iaveh, ka nataony nianjadian’ny fahoriana, araka izao hitanareo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Aza manahaka ny rainareo sy ny rahalahinareo izay nivadika tamin’i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ka dia natolony ho figagana araka izao hitanareo izao izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Aza manahaka ny rainareo sy ny rahalahinareo izay nivadika tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ka dia natolony ho figagana araka izao hitanareo izao izy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 30:7
7 Rohy Ifampitohizana  

Dia nijoro teo anoloan’ny Hozià mpanjaka ireo ka nanao taminy hoe: –Tsy anjara raharahanao, ry Hozià, ny handoro vovo-javamanitra ho an’ny TOMPO; fa anjaran’ny mpisorona taranak’i Aharôna izay natokana hanao izany. Mialà amin’ny Toeramasina ianao, satria manimbazimba an’Andriamanitra; ary tsy ho voninahitra ho anao eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitra izany.


Ka dia niharan’ny fahatezeran’ny TOMPO i Joda sy i Jerosalema; ary hataony ohatra hampihoron-koditra sy hampahonena ary hoenti-maneso, toy izao mbola hitanareo maso izao.


Efa nanota toy ny razanay izahay, eny, efa nivoana sy nanao ratsy.


Amin’izay ireto tsy hanahaka ireo razany izay taranaka naditra sy nikomy, taranaka nanana fo niovaova sy fanahy tsy natoky an’Andriamanitra.


Noho izany, ambarao amin’ny Israelita fa Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY : ‹Nahoana no manaraka ny fanaon-drazanareo ianareo, ka ny fanompoana ireo sampiny maharikoriko ireo no andotoanareo tena sy ivadihanareo amiko?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra