Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 30:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Ny fahefàn’Andriamanitra kosa dia niasa tamin’ny Jodeanina ka nampiray fo azy hankatò ny didin’ny mpanjaka sy ny manampahefana, araka ny tenin’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ary ny tanan’Andriamanitra ihany koa dia niasa tamin’ny Joda mba hanome azy fo iray hankatò ny didin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny tenin’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Ny fahefàn’Andriamanitra kosa dia niasa tamin’ny Jodeanina ka nampiray fo azy hankatò ny didin’ny mpanjaka sy ny manampahefana, araka ny tenin’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Any amin’i Jodà koa no namelaran’Andriamanitra ny tanany, ka nomeny fo iray hankatò ny didin’ny mpanjaka sy ny lehibe araka ny tenin’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary ny tànan’Andriamanitra dia napetrany tamin’ny Joda koa mba hanome azy fo iray hankatò ny didin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny tenin’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary ny tànan'Andriamanitra dia napetrany tamin'ny Joda koa mba hanome azy fo iray hankatò ny didin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny tenin'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 30:12
19 Rohy Ifampitohizana  

Dia namory ny mpiray tarika aminy avy izy ireo, ka samy nidio tena; avy eo dia niditra ny tranon’ny TOMPO mba hanadio izany, araka ny didin’ny mpanjaka mifototra amin’ny tenin’ny TOMPO.


Ary napetraky ny mpanjaka tao an-tranon’ny TOMPO ireo levita ombàn’ny kipantsona sy valiha ary lokanga, araka ny didy nataon’i Davida mpanjaka ary koa nataon’i Gada mpahitany sy i Natàna mpaminany; izany no didy nampitain’ny TOMPO tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny.


Ary faly i Hezekià sy ny vahoaka rehetra noho ny amin’izay navelan’Andriamanitra hotanterahiny, satria tampotampoka izany raharaha izany.


Ary tsy nialan’ireo ny didin’i Davida mpanjaka momba ny mpisorona sy ny levita na amin’inona na amin’inona, indrindra fa ny amin’ny fitahirizan-drakitra.


«Hankalazaina anie ny TOMPO Andriamanitry ny razanay, hoy i Hezrà. Fa Izy no nanoro hevitra ny amperôra hanatsara endrika ny tranony any Jerosalema;


Miaramila voafantina no miaraka aminao amin’ny andro amorianao ny tafikao. Eny amin’ny tendrombohitra masina no hanatona Anao ireo zatovolahinao toy ny ando napoitran’ny mazavatsinanana.


Homeko azy ny fo miaiky fa Izaho no TOMPO. Hiverina amiko amin’ny fony manontolo ireo; ka ho vahoakako izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny.


Hataoko iray fo sy iray hevitra izy mba hanaja Ahy hatrany hatrany, hahasoa azy sy ny taranany mandimby azy.


Homeko fo vaovao ianareo ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo. Hoesoriko aminareo ny fo tsy miraika toy ny vato ka hosoloiko fo mora anarina.


Saingy hoy izy roa lahy taminy: –Tsarao raha rariny eo imason’Andriamanitra ny manaiky anareo toy izay manaiky an’Andriamanitra;


Izahay dia tsy mihambo hanana fahaleovana hahahevitra asa toy izany avy amin’ny tenanay; fa avy amin’Andriamanitra ny fahaleovana ananany.


Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo ary aza anesorana; fa tandremo ny didin’ny TOMPO Andriamanitrareo, izay ampitaiko aminareo.


satria miasa ao anatinareo hatrany Andriamanitra hahatonga anareo hikasa sy hahatanteraka izay mifanaraka amin’ny safidim-pony.


Fantatrareo rahateo ireo fepetra avy amin’i Jesoa Tompo nomenay anareo;


Andriamanitra dia efa nitondra an’i Jesoa Tompontsika hiala amin’ny fahafatesana, i Jesoa Tompontsika Izay Mpiandry lehibe miahy ny ondry noho ny ra nafoiny ho antoky ny Fanekempihavanana mandrakizay.


Andriamanitra loharanon’ny fiadanana anie hahatonga anareo ho vonon-kanao ny asa soa rehetra mba hanatanterahanareo ny sitrapony; ka hataony ao anatintsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy anie izay sitrany. Ho an’i Jesoa Kristy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra