Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 28:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Nanao sorona biby sy nandoro azy hanetona teny amin’ny toeram-panasinana ary koa teny an-tampon-kavoana sy teny ambany hazo maitso midoroboka rehetra teny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ny toerana fanaovana sorona sy teny an-tampon’ny havoana ary teny ambanin’ny hazo maitso rehetra koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Nanao sorona biby sy nandoro azy hanetona teny amin’ny toeram-panasinana ary koa teny an-tampon-kavoana sy teny ambany hazo maitso midoroboka rehetra teny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Nanatitra sorona aman-java-manitra teny amin’ny fitoerana avo sy ny havoana ary teny ambany hazo maitso rehetra teny izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ny fitoerana avo koa sy teny an-tampon’ny havoana ary teny ambanin’ny hazo maitso rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo koa sy teny an-tampon'ny havoana ary teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 28:4
10 Rohy Ifampitohizana  

Ary nanolotra sorona teo an-tendrombohitra i Jakôba ka nanasa ireto havany hiara-misakafo aminy. Ary rehefa avy nisakafo ny besinimaro, dia nandry teo an-tendrombohitra tamin’ny alina.


Ary hoy i Jerôbohama tamin’ny vadiny: –Ndeha re miova endrika ianao mba tsy ho fantatr’olona ho vadiko; dia mankanesa any Silao izay misy an’i Ahià mpaminany, ilay nilaza tamiko fa ho tonga mpanjakan’ity firenena Israely ity aho.


Fa nanorina toeram-panasinana koa izy sady nanao tsangambaton-tsampy sy tsatokazo fanajana an’i Aserà teny an-tampon-kavoana sy teny ambany hazo midoroboka rehetra teny.


Nanolotra sorona biby sy nandoro azy hanetona teny amin’ny toeram-panasinana izy ary koa teny amin’ny havoana sy teny ambany hazo maitso midoroboka rehetra teny.


Kanefa tsy mbola foana teo amin’i Israely ny toeram-panasinana, na dia nahitsy fo hatrany aza i Asà tamin’ny androm-piainany rehetra.


Nampietren’ny TOMPO toy izany ny fanjakàn’i Joda noho i Ahaza mpanjakany efa nitaona ny Jodeanina hiala amin’ny TOMPO sy hanimbazimba Azy.


ary isan-tanànan’ny fanjakàn’i Joda dia nanaovany toeram-panasinana mba handoroana sorona hanetona ho an’ny andriamani-kafa, ka izany no nahatezitra ny TOMPO Andriamanitry ny razany.


Haharikoriko Ahy ianareo, ka horavako ny toerana anajànareo sampy, hazerako ny tsangambato anompoanareo ny masoandro, ary ny fatinareo hampifanongoaviko eo ambonin’ny sampy rava.


Nikomy tamin’Andriamanitra ny taranak’i Jakôba, eny, nanota ny vahoakan’i Israely, ka mahatonga izany rehetra izany. Fa iza no nampikomy ny taranak’i Jakôba? Moa tsy i Samaria renivohiny ve? Ary iza no toeram-panasinana ao Joda? Moa tsy i Jerosalema renivohiny ve?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra