Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 24:27 - DIEM PROTESTANTA

27 Ny amin’ireo zanakalahin’i Jôasy, ny teny faminaniana hentitra nilaza ny loza hanjo ity mpanjaka, ary ny fomba nanamboarany ny tranon’Andriamanitra dia samy voasoratra ao amin’ilay boky milohateny hoe Fivoasana ny Bokin’ny Mpanjaka. Ary i Amatsià zanakalahin’i Jôasy no nanjaka nandimby azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Ny amin’ny zanany sy ny hamafin’ny faminaniana izay nilaza ny loza hanjo azy, ary ny nanamboarany ny tranon’Andriamanitra, indro, voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjaka izany. Ary i Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 Ny amin’ireo zanakalahin’i Jôasy, ny teny faminaniana hentitra nilaza ny loza hanjo ity mpanjaka, ary ny fomba nanamboarany ny tranon’Andriamanitra dia samy voasoratra ao amin’ilay boky milohateny hoe Fivoasana ny Bokin’ny Mpanjaka. Ary i Amatsià zanakalahin’i Jôasy no nanjaka nandimby azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

27 Ny amin’ny zanany, ny faminaniana maro namely azy, ny namboarany ny tranon’Andriamanitra, dia indro fa efa voasoratra ao amin’ny Fitadiavana momba ny bokin’ny Mpanjaka. I Amasiasa zanany no nanjaka nandimby azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 Ary ny amin’ny zanany sy ny hamafin’ny faminaniana nilaza ny loza hanjo azy ary ny nanamboarany ny tranon’Andriamanitra, indro, efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjaka izany. Ary Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 Ary ny amin'ny zanany sy ny hamafin'ny faminaniana nilaza ny loza hanjo azy ary ny nanamboarany ny tranon'Andriamanitra, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjaka izany. Ary Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 24:27
10 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izany dia niakatra nanafika ny tanànan’i Gata i Hazaela mpanjakan’i Siria, ka nahazo azy; rehefa izany, dia niomana hanafika an’i Jerosalema ihany koa izy.


Ary nioko hanohitra an’i Jôasy ny manamboninahiny; ka ny anankiroa taminy, dia i Jôzabada zanakalahin’i Simehata sy i Jehôzabada zanakalahin’i Sômera no namono azy ho faty tao Bety-Milao iny Jôasy nidina hankany Silà iny. Dia nalevina tao amin’ny fasam-pianakaviany tao an-Tanànan’i Davida izy; ary i Amatsià zanany lahy no nanjaka nandimby azy.


i Amatsià zanakalahin’i Jôasy, i Hazarià zanakalahin’i Amatsià, i Jôtama zanakalahin’i Hazarià,


Ny sisa amin’ny tantaran’i Abià ary koa ny zava-bitany sy nataony dia efa voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Tsiahin’i Hidao mpaminany.


Ny tantaran’i Asà, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin’ny Bokin’ireo mpanjakan’i Joda sy i Israely.


Ny sisa amin’ny tantaran’i Jôsafata, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’i Jehò zanakalahin’i Hananỳ, izay nakambana tamin’ny Bokin’ireo mpanjakan’i Israely.


Dia natolotry ny mpanjaka sy i Jôiadà ho an’izay nisahana ny raharaha momba ny tranon’ny TOMPO izany vola izany, ka nanakaramany mpipai-bato sy mpandrafitra ary koa mpanefy vy sy halimo mba hanamboarana sy hanamafisana ny tranon’ny TOMPO.


Ireto avy ireo nioko nanohitra an’i Jôasy: i Jôzakara zanakalahin’ilay vehivavy hamônita atao hoe Simehata, ary koa i Jehôzabada zanakalahin’ilay vehivavy môabita atao hoe Simrita.


Feno 25 taona i Amatsià fony tonga mpanjaka; ary naharitra roapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Jôhadàna, izay avy ao Jerosalema ihany.


Ny sisa amin’ny tantaran’i Salômôna, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin’ireo boky milohateny hoe Asan’i Natàna mpaminany sy Faminanian’i Ahià avy any Silao ary Fahitàn’i Hidao. –Ity boky farany ity dia mitantara ny amin’i Jerôbohama, zanakalahin’i Nebata–.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra