Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 24:26 - DIEM PROTESTANTA

26 Ireto avy ireo nioko nanohitra an’i Jôasy: i Jôzakara zanakalahin’ilay vehivavy hamônita atao hoe Simehata, ary koa i Jehôzabada zanakalahin’ilay vehivavy môabita atao hoe Simrita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Ireto avy no nikomy taminy: I Zabada, zanak’i Simata amonita, sy i Jozabada, zanak’i Simrita moabita.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Ireto avy ireo nioko nanohitra an’i Jôasy: i Jôzakara zanakalahin’ilay vehivavy hamônita atao hoe Simehata, ary koa i Jehôzabada zanakalahin’ilay vehivavy môabita atao hoe Simrita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 Ireto no nanao teti-be hamely azy: i Zabada zanak’i Semaata vehivavy Amônita, sy i Jôzabada zanak’i Samarita vehivavy Moabita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Ary izao no niodina taminy: Zabada, zanak’i Simata Amonita, sy Jozabada, zanak’i Simrita Moabita.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Ary izao no niodina taminy: Zabada, zanak'i Simata Amonita, sy Jozabada, zanak'i Simrita Moabita.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 24:26
4 Rohy Ifampitohizana  

Ary nioko hanohitra an’i Jôasy ny manamboninahiny; ka ny anankiroa taminy, dia i Jôzabada zanakalahin’i Simehata sy i Jehôzabada zanakalahin’i Sômera no namono azy ho faty tao Bety-Milao iny Jôasy nidina hankany Silà iny. Dia nalevina tao amin’ny fasam-pianakaviany tao an-Tanànan’i Davida izy; ary i Amatsià zanany lahy no nanjaka nandimby azy.


Fony lasa nody ny Sirianina, dia namela an’i Jôasy hianjadian’aretina mafy; fa noho izy nampamono ho faty ny zanakalahin’i Jôiadà mpisorona, dia niokoan’ireo mpanompony koa ity mpanjaka, hany ka novonoiny ho faty teo am-pandriany. Mba nalevina tao an-Tanànan’i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.


Ny amin’ireo zanakalahin’i Jôasy, ny teny faminaniana hentitra nilaza ny loza hanjo ity mpanjaka, ary ny fomba nanamboarany ny tranon’Andriamanitra dia samy voasoratra ao amin’ilay boky milohateny hoe Fivoasana ny Bokin’ny Mpanjaka. Ary i Amatsià zanakalahin’i Jôasy no nanjaka nandimby azy.


Rehefa nohamafisin’i Amatsià ny fahefàm-panjakàny, dia nasainy novonoina ho faty ireo manamboninahitra izay nahafaty an’i Jôasy mpanjaka rainy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra