Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 24:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Dia nanao teti-dratsy nanohitra an’i Zakarià ny vahoaka, ary nitora-bato azy tao an-kianjan’ny tranon’ny TOMPO, araka ny baikon’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Dia nanao teti-dratsy ireo ka nitora-bato azy teo amin’ny kianjan’ny tranon’NY TOMPO araka ny tenin’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Dia nanao teti-dratsy nanohitra an’i Zakarià ny vahoaka, ary nitora-bato azy tao an-kianjan’ny tranon’ny TOMPO, araka ny baikon’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Ka niray tetika hamely an’io izy ireo, ka nitora-bato azy, dia teo amin’ny kianjan’ny tranon’i Iaveh, noho ny didin’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Dia nanao teti-dratsy ireo ka nitora-bato azy teo amin’ny kianjan’ny tranon’i Jehovah araka ny tenin’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Dia nanao teti-dratsy ireo ka nitora-bato azy teo amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah araka ny tenin'ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 24:21
16 Rohy Ifampitohizana  

Dia niroso teo anoloan’i Nabôta ireo tsivalahara roa lahy ka niampanga lainga azy teo anatrehan’ny olona hoe: –Nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka i Nabôta! Koa dia nentin’ny olona tany ivelan’ny tanàna izy ary notorahany vato mandra-pahafatiny.


Fa rehefa nitenenan’ity mpaminany izany izy, dia namaly hoe: –Moa ve nisy nanendry anao ho mpanolotsaina ny mpanjaka? Aoka itsỳ, fandrao asian’ny olona eo ianao! Dia niato kely ilay mpaminany, vao nanohy hoe: –Fantatro fa nanapa-kevitra hahafaty anao Andriamanitra, satria nanao izany ianao ka tsy nihaino ny anatro.


Kanefa nikomiany sy niodinany Ianao, nariany lavitra azy ny lalànao, novonoiny ny mpaminaninao izay nananatra azy mafy hiverina aminao; koa notevatevainy tokoa Ianao.


Mikaon-doha hahafaty ny olo-marina ireo sady manameloka ny tsy manan-tsiny.


Fa toy ny zanakondry bonaika nentina hovonoina aho ka tsy nahalala ny tetika nataony hamelezana ahy. Hoy ireo hoe: «Andeha hosimbantsika ny hazo ao anatin’ny fitsiriany; aoka hofongorantsika hiala amin’ny tanin’ny velona izy, ka tsy hotsarovana intsony ny anarany.»


Dia hoy ny olona hoe: «Andeha isika hanao tetika hamelezana an’i Jeremià, fa tsy ho foana akory ny mpisorona hanome fampianarana, na ny olon-kendry hanolo-tsaina na ny mpaminany hampita ny tenin’Andriamanitra. Andeha hasiantsika amin’ny fanalam-baràka izy, ka tsy horaharahaintsika akory izay lazainy.»


Koa namely tehamaina an’i Jeremià mpaminany izy sady namatotra azy tamin’ny tsatòka teo anilan’ny vavahadin’i Benjamîna, dia ilay vavahady ambony mankao an-tranon’ny TOMPO.


«Izao no voalazan’ny TOMPO: mijoroa eo an-kianjan’ny tranoko ianao ary mitenena amin’ny olona rehetra mponin’ireo tanànan’i Joda ka tonga hivavaka ao. Avereno aminy avokoa ny teny nasaiko hambaranao aminy, ka aza anesorana na kely aza.


Fa raha nandre ny tenin’i Orià i Jôiakima mpanjaka sy ireo mpiambina azy ary ny mpitondra rehetra, dia nitady hahafaty azy. Ren’i Orià izany, dia natahotra izy ka nandositra tany Ejipta.


Halanareo ny olona mananatra eo amin’ny fitsarana ary maharikoriko anareo ny vavolombelona milaza ny marina.


Fa nosamborin’ireo mpamboly ny mpiasany ka ny anankiray nokapohiny, ny anankiray novonoiny ary ny anankiray notorahany vato.


nanomboka tamin’i Abela ka niafara tamin’i Zakarià ilay novonoina teo anelanelan’ny alitara fisoronana sy ny Toeramasina. Eny, hoy Aho aminareo, hanadinan’Andriamanitra ny olona ankehitriny avokoa izany.


Tao ireo maty notoraham-bato, tapa-droa notsofàna, novonoina tamin-tsabatra; tao ireo nafindrafindra monina nitafy hoditr’ondry na hoditr’osy, ka nahantra sy nampahorîna ary fadiranovana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra