14 I Joiadà moa efa nandrara ny hamonoana ho faty an’i Hatalià ao an-tranon’ny TOMPO, ka dia nasainy nanatona ireo mpifehy andia-miaramila sady mpiandraikitra ny mpiambina ary nilazany hoe: –Avoahy any ivelany any i Hatalià ka ampandalovy eo anelanelan’ny laharanareo; ary izay manaraka azy, dia vonoy ho faty amin’ny sabatra.
14 I Joiadà moa efa nandrara ny hamonoana ho faty an’i Hatalià ao an-tranon’ny TOMPO, ka dia nasainy nanatona ireo mpifehy andia-miaramila sady mpiandraikitra ny mpiambina ary nilazany hoe: –Avoahy any ivelany any i Hatalià ka ampandalovy eo anelanelan’ny laharanareo; ary izay manaraka azy, dia vonoy ho faty amin’ny sabatra.
14 Fa nasain’i Jôiadà mpisorona nivoaka ny tompon-jato, mpifehy ny miaramila, ka nataony hoe: «Ento izy eo anelanelan’ny laharana hiala eto, ary vonoy amin’ny sabatra izay manaraka azy na iza na iza. Satria ny mpisorona efa nilaza hoe: Aza mamono azy ao an-tranon’i Iaveh.»
14 Fa nasain’i Joiada navoaky ny kapiteny, mpifehy ny miaramila, izy, ka hoy izy tamin’ireo: Avoahy eny ivelan’ny filaharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin’ny sabatra. Fa ny mpisorona efa nandrara hoe: Aza vonoina eto an-tranon’i Jehovah izy.
14 Fa nasain'i Joiada navoaky ny kapiteny! mpifehy ny miaramila, izy, ka hoy izy tamin'ireo: Avoahy eny ivelan'ny filaharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin'ny sabatra. Fa ny mpisorona efa nandrara hoe: Aza vonoina eto an-tranon'i Jehovah izy.
Rehefa vita izany, dia hoy i Jehò tamin’ny miaramila sy mpifehy azy: –Midira ka vonoy ho faty tsy hisy miangana ireo na dia iray aza! Dia nasian’ny miaramila tamin’ny lelan-tsabatra ireo, ka nariany tany ivelan’ny tanàna ny fatiny. Avy eo ireto miaramila dia niverina tao amin’ny faritra nisy ny tempolin’i Bahala.
I Jôiadà mpisorona moa efa nandrara ny hamonoana ho faty an’i Hatalià ao an-tranon’ny TOMPO, ka dia nomeny baiko ny kapiteny mpifehy miaramila ary nilazany hoe: –Avoahy any ivelany any i Hatalià ka ampandalovy eny anelanelan’ny laharanareo; ary izay manaraka azy dia vonoy ho faty amin’ny sabatra.
Ny miaramila rehetra dia hitam-piadiana avokoa ka hanemitra ny mpanjaka ary hanaraka azy na aiza na aiza alehany. Izay mikasa hanatona ny laharanareo dia hatao maty.
Ary indro hitany ny mpanjaka vaovao nitsangana tambonin’ny lampihazo teo amin’ny fidirana, ka ny mpihira sy ny mpitsoka trompetra no teo anilany; nifaly ny vahoaka rehetra, nampaneno trompetra ny mpitsoka mozika, ary nandredona hira fiderana ireo mpihira omban’ny zava-maneno isan-karazany. Fa i Hatalià kosa nandriatra ny fitafiany sady niantsoantso hoe: «Fikomiana! Fikomiana!»
Dia nosamborin’ireo i Hatalià ka notaritaritiny ho any an-dapan’ny mpanjaka; ary rehefa tafapaka ny fidirana teo amin’ny vavahadin-tsoavaly ravehivavy, dia novonoina ho faty teo.
Fa raha tàhiny kosa fanahy iniana no namonoany ilay anankiray tamin’ny fitaka, dia hosamborinareo izy ka hovonoinareo ho faty na dia mandositra eo akaikin’ny alitarako aza.
Ary ny Tompo nibaiko azy hoe: «Lotoy ny tempoly, fenoy fatin’olona ny kianjany, dia mandehana.» Dia lasa ireo ka nanohy ny fandringanana tao an-tanàna.