Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 18:34 - DIEM PROTESTANTA

34 Kanefa nihamafy ny ady tamin’izay andro izay, hany ka voatery nihafy ny mpanjakan’i Israely nitsangana teo amin’ny kalesiny, nanoloana ny tafika sirianina, mandra-paharivan’ny andro; fa nony efa hilentika ny masoandro, dia maty izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Nihamafy ny ady tamin’izany andro izany; ary notohanana ny mpanjaka mba hijoro teo amin’ny kalesiny nanatrika ny Arameana mandra-paharivan’ny andro ny mpanjakan’ny Israely; nefa nony efa hilentika ny masoandro dia maty izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 Kanefa nihamafy ny ady tamin’izay andro izay, hany ka voatery nihafy ny mpanjakan’i Israely nitsangana teo amin’ny kalesiny, nanoloana ny tafika sirianina, mandra-paharivan’ny andro; fa nony efa hilentika ny masoandro, dia maty izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

34 Nihamafana ny ady tamin’izay andro izay, ary notohanana hitsangana manandrify ny Sirianina teo ambony kalesiny ihany ny mpanjakan’i Israely, mandra-paharivan’ny andro, fa nony efa hilentika ny masoandro dia maty izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 Ary nihamafy ny ady tamin’izany andro izany; ary ny mpanjakan’ny Isiraely nihafy nitsangana teo amin’ny kalesiny tandrifin’ny Syriana mandra-paharivan’ny andro; fa nony efa hilentika ny masoandro, dia maty izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Ary nihamafy ny ady tamin'izany andro izany; ary ny mpanjakan'ny Isiraely nihafy nitsangana teo amin'ny kalesiny tandrifin'ny Syriana mandra-paharivan'ny andro; fa nony efa hilentika ny masoandro, dia maty izy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 18:34
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ny navalin’i Mikaià: –Hitako fa ny tafik’i Israely manontolo dia niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry. Ary ny TOMPO niteny hoe: «Tsy mana-mpifehy intsony ireo miaramila ireo, ka aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy!»


Ka hoy ny TOMPO nanontany hoe: «Iza no hitaona an’i Ahaba, mpanjakan’i Israely, handeha hanafika an’i Ramôta-Gilehada mba hahafaty azy any?» Ary samy nanana ny fomba famaliny avy ny tsirairay.


Fa hoy kosa i Mikaià: –Raha tàhiny ka tafaverina soa aman-tsara ianao, dia tsy nampitenenin’ny TOMPO aho tsy akory.


Ary nisy miaramila sirianina anankiray nandefa zana-tsipîka tsy nahy, ka nahavoa ny mpanjakan’i Israely teo anelanelan’ny famavàn’ny akanjo vy fiarovan-tratrany; ka dia hoy ity mpanjaka tamin’ny mpamily ny kalesiny: –Ahodino ny kalesy, ka ento miala ny toeram-piadiana aho fa maratra mafy.


Dia niverina soa aman-tsara tao an-dapany, tao Jerosalema, i Jôsafata mpanjakan’i Joda.


Loza no manjohy ny mpanota; fa hasambarana kosa no valisoan’ny olo-marina.


Handositra hatrany am-pasana ny olona izay enjehin’ny eritreriny noho izy nahafaty olona: aoka tsy hisy hisakana azy!


Fa raha tsy manao izany kosa ianareo, dia manota amin’ny TOMPO, ary fantaro fa ianareo ihany no hifoteran’ny vokatry ny fahotanareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra