Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 18:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Ka hoy ny TOMPO nanontany hoe: «Iza no hitaona an’i Ahaba, mpanjakan’i Israely, handeha hanafika an’i Ramôta-Gilehada mba hahafaty azy any?» Ary samy nanana ny fomba famaliny avy ny tsirairay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Ary hoy NY TOMPO: Iza no hamitaka an’i Ahaba, mpanjakan’ny Israely, handeha ho any Ramota-Gileada ka ho lavo any? Ary ny iray dia niteny toy izao ary ny iray hafa kosa dia niteny toy izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Ka hoy ny TOMPO nanontany hoe: «Iza no hitaona an’i Ahaba, mpanjakan’i Israely, handeha hanafika an’i Ramôta-Gilehada mba hahafaty azy any?» Ary samy nanana ny fomba famaliny avy ny tsirairay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Ary hoy i Iaveh: Iza no hanambaka an’i Akaba hiakarany any Ramôta any Galaada sy ho faty any izy?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary hoy Jehovah: Iza no hitaona an’i Ahaba, mpanjakan’ny Isiraely, handeha ho any Ramota-gileada ka ho lavo any? Ary ny anankiray niteny toy izao, ary ny anankiray kosa niteny toy izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary hoy Jehovah: Iza no hitaona an'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, handeha ho any Ramota-gileada ka ho lavo any? Ary ny anankiray niteny toy izao, ary ny anankiray kosa niteny toy izao.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 18:19
14 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy ny TOMPO nanontany hoe: «Iza no hitaona an’i Ahaba handeha hanafika an’i Ramôta-Gilehada mba hahafaty azy any?» Ary samy nanana ny fomba famaliny avy ny tsirairay.


ny zanakalahin’i Gebera, tao Ramôta any Gilehada, no nisahana an’i Havôta-Jaîro izay fananan’i Jaîro zanakalahin’i Manase tao Gilehada, ary koa nisahana ny faritanin’i Argôba izay tao Basàna: tanàna enimpolo nisy manda manodidina sy hidy halimo ireo;


Ary hoy indray i Mikaià: –Henoy àry ny tenin’ny TOMPO. Hitako nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany manko ny TOMPO; ary ireo anjeliny rehetra any an-danitra nijoro teo ankavanany sy teo ankaviany.


Fa nandroso ka nitsangana teo anatrehan’ny TOMPO ny fanahy anankiray ary nanao hoe: «Izaho no hitaona azy.» Hoy kosa ny TOMPO hoe: «Amin’ny fomba ahoana?»


Dia hoy izy: «Handeha aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan’ireo mpaminanin’i Ahaba rehetra.» Ary hoy indray ny Tompo: «Ho voataonanao tokoa izy, sady zavatra manavanana anao izany; ndeha àry ka ataovy.»


Lazainao, ry Amatsià, fa nandresy ny Edômita ianao, ka dia nasesiky ny fonao hirehareha; mitoera ihany re ao an-tranonao, fa nahoana ianao no hanomboka ady handoza anao sady hahalavo ny tenanao mbamin’ny tafik’i Joda?»


Fa raha miara-manainga aminy ihany ianao, na dia hahery mikatroka an’ady toy inona aza, dia hataon’Andriamanitra lavo eo anoloan’ny fahavalonao; Andriamanitra manko no hany mahay mampandresy na mampahalavo.


Ao aminy ny hery sy ny fahakingana; samy Azy na ny voafitaka na ny mpamitaka.


Ny fahamarinan’ny olom-banona manamora ny fiainany; fa ny olon-dratsy kosa verin’ny faharatsiany.


Jereo fa Izaho ihany no nahary ny mpanefy izay mifofotra ny afon’arina ka mahavita fitaovam-piadiana hampiasaina amin’izay ilana azy; nefa Izaho ihany koa no nahary ny mpandrava izay hamotika izany fitaovam-piadiana izany.


«Raha misy mpaminany voataona hamaly araka ny tenany ihany, dia Izaho TOMPO no efa nampanao azy izany; ary hanamparako ny heriko izy ka hoesoriko tsy ho eo amin’i Israely vahoakako.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra