Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 14:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Nasian’ny tafik’i Asà koa ny tanàna rehetra manodidina an’i Gerara, satria nataon’ny TOMPO voagejan’ny horohoro ireo; dia norobain’ny tafik’i Asà avokoa ny tanàna, ka nahazoany babo betsaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Namely ny tanàna rehetra manodidina an’i Gerara izy; voan’ny fahatahorana NY TOMPO ireo ka nobaboin-dry Asa ny tanàna rehetra, fa be ny babo tao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Nasian’ny tafik’i Asà koa ny tanàna rehetra manodidina an’i Gerara, satria nataon’ny TOMPO voagejan’ny horohoro ireo; dia norobain’ny tafik’i Asà avokoa ny tanàna, ka nahazoany babo betsaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Nasiany avokoa ny tanàna manodidina an’i Gerara, fa azon’ny fahatahorana an’i Iaveh ireo, ka nobaboiny ny tanàna rehetra, fa babo be dia be no tao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary namely ny tanàna rehetra manodidina an’i Gerara izy; fa ny fahatahorana an’i Jehovah nahazo ireo, ka nobaboiny ny tanàna rehetra, fa be ny babo tao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary namely ny tanàna rehetra manodidina an'i Gerara izy; fa ny fahatahorana an'i Jehovah nahazo ireo, ka nobaboiny ny tanana rehetra, fa be ny babo tao.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 14:13
17 Rohy Ifampitohizana  

Taorian’ny safo-drano dia niteraka zanakalahy maro i Sema sy i Hama ary i Jafeta zanak’i Noà. Ireto no lisitry ny taranany:


ka ny faritaniny dia nanomboka hatreo Tsidôna mihazo an’i Gerara ka hatrany Gazà, ary mankany Sôdôma sy Gômôra ary Admà sy Tsebôima ka hatrany Lesà.


Niala teo i Abrahama nankany amin’ny faritany atsimo, ka nonina tao anelanelan’i Kadesy sy i Soro, ary nivahiny tao Gerara.


Nisy mosary teo amin’ny tany, hafa noho izay niseho tamin’ny andron’i Abrahama; koa lasa i Itsehàka nankany amin’i Abimelèka mpanjakan’i Filistinina tao Gerara.


Ary rehefa niala teo ry i Jakôba sy ny zanany, dia nampihorohoroin’Andriamanitra ireo tanàna manodidina, ka tsy nisy sahy nanarakaraka azy avy taoriana.


Nanampy ny andian-tafik’i Davida ireo satria lehilahy mahery avokoa, ary nanjary komandy tao amin’ny tafiny.


Nitondra kalesy 1 200 sy mpitaingin-tsoavaly 60 000 i Sisàka; ary tsy hita isa ny miaramila nanaraka azy avy any Ejipta, dia ny Libianina sy ny Sokita ary ny Etiôpianina.


Nasiany koa ny vala fitobian’ny biby fiompy, ka namaboany ondry aman’osy marobe sy rameva. Avy eo dia niverina ho any Jerosalema i Asà sy ny tafiny.


Androtrizay no nanolorana sorona ho an’ny TOMPO tamin’ny babo izay nentiny, dia omby fitonjato sy ondry aman’osy fito arivo.


Nahazo ny fanjakana rehetra tamin’ny tany manodidina an’i Joda ny tahotra ny TOMPO, hany ka tsy nisy sahy niady tamin’i Jôsafata ireo.


Ary azon’ny tahotra an’Andriamanitra ny fanjakana rehetra manodidina, rehefa nandre fa ny TOMPO no niady tamin’ny fahavalon’i Israely.


Ho sitrak’Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy; hoesoiny anie ilay tànam-piarovany mba hanaperany ny aiko.


Lalim-pahendrena Izy sady mahery tsy hay tohaina, koa iza no hanohitra Azy ka ho afa-maina?


Iza no hampiditra ahy ho eo anivon’i Edôma? Zovy no hitondra ahy ho amin’ilay tanàna mafy?


Fahaverezana maharitra mandrakizay no sazy hihatra amin’ireo, ka tsy hifanatri-tava amin’ny Tompo sy ho lavitry ny heriny heni-boninahitra ireo


Dia novaliany hoe: –Tsia, fa lehiben’ny tafiky ny TOMPO aho ka tonga atỳ ankehitriny. Dia niankohoka tamin’ny tany i Josoa ka niteny taminy hoe: –Mpanomponao aho, tompoko; ka inona no baikonao amiko?


Mifona aminao aho, tompoko, mba avelao re ny fahadisoan’ny mpanomponao, fa hampaharitra tokoa ny fanjakanao sy ny an’ny taranakao ny TOMPO satria ny adin’ny TOMPO no imasoanao, ary tsy hisy ratsy hanimba anao amin’ny andro rehetra iainanao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra