Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 14:12 - DIEM PROTESTANTA

12 ary nenjehin’i Asà sy ny tafiny hatrany Gerara. Ary nahafatesana be tokoa ny Etiôpianina sady tsy nisy afa-nitsoaka akory aza, satria montsana teo anoloan’ny TOMPO sy ny tafika nombany. Babo betsaka no azon’ny Jodeanina tamin’izay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Nanenjika azy hatrany Gerara i Asa sy ny vahoaka niaraka taminy ka nahafatesana be ny Kosita ary tsy naharina intsony, fa voaringana teo anoloan’NY TOMPO sy ny miaramilany izy ka nahazoan’ny Joda babo betsaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 ary nenjehin’i Asà sy ny tafiny hatrany Gerara. Ary nahafatesana be tokoa ny Etiôpianina sady tsy nisy afa-nitsoaka akory aza, satria montsana teo anoloan’ny TOMPO sy ny tafika nombany. Babo betsaka no azon’ny Jodeanina tamin’izay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Nenjehin’i Asà sy ny vahoaka nomba azy hatrany Gerara, ka be loatra ny Etiôpianina lavo ka tsy azony nantenaina ny hiarina indray, fa voatorotoro eo anatrehan’i Iaveh sy eo anatrehan’ny tafiny. Babo tsy erany no azon’i Asà sy ny vahoakany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary Asa sy ny vahoaka teo aminy nanenjika azy hatrany Gerara, ka dia nahafatesana be ny Etiopiana ka tsy naharina intsony; fa voaringana teo anoloan’i Jehovah sy ny miaramilany izy, ka nahazoan’ny Joda babo betsaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary Asa sy ny vahoaka teo aminy nanenjika azy hatrany Gerara, ka dia nahafatesana be ny Etiopiana ka tsy naharina intsony; fa voaringana teo anoloan'i Jehovah sy ny miaramilany izy, ka nahazoan'ny Joda babo betsaka.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 14:12
17 Rohy Ifampitohizana  

ka ny faritaniny dia nanomboka hatreo Tsidôna mihazo an’i Gerara ka hatrany Gazà, ary mankany Sôdôma sy Gômôra ary Admà sy Tsebôima ka hatrany Lesà.


Nataony babo ny biby fiompiny (dia rameva 50 000, ondry aman’osy 250.000, boriky roa arivo) ary koa olona iray hetsy.


Nitondra kalesy 1 200 sy mpitaingin-tsoavaly 60 000 i Sisàka; ary tsy hita isa ny miaramila nanaraka azy avy any Ejipta, dia ny Libianina sy ny Sokita ary ny Etiôpianina.


dia nanao akoran’ady ny miaramila jodeanina; koa tamin’izay no namelezan’Andriamanitra an’i Jerôbohama sy ny Israelita tavaratra rehetra teo anoloan’i Abià sy ny Jodeanina.


Androtrizay no nanolorana sorona ho an’ny TOMPO tamin’ny babo izay nentiny, dia omby fitonjato sy ondry aman’osy fito arivo.


Raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo mpihira, dia nataon’ny Tompo nisy fifanjevoana teo amin’ny Hamônita sy Môabita ary Edômita izay tonga hanafika ny Jodeanina, ka dia nifamely ireo.


Moa tsy Ianao ihany ve, Andriamanitra ô? Kanefa izahay efa narianao mihitsy ary ny tafikay tsy iarahanao intsony.


Nony nifarana ny 430 taona, dia tamin’io andro io indrindra no nivoaka am-pilaminana avy tao Ejipta ny vahoakan’ny TOMPO.


Ka tamin’io andro io indrindra no navoakan’ny TOMPO tamim-pilaminana avy tany Ejipta ny Israelita.


Nohidiany ny kodiaran’ny kalesy ka nihisatra ny fitarihana azy. Dia hoy ny Ejiptianina hoe: –Andao handositra ny Israelita isika, fa ny TOMPO no miady ho azy ireo amintsika!


Izao no teny hentitry ny TOMPO: «Amiko ve ianareo, ry taranak’i Israely, tsy tahaka ny taranaka etiôpianina ihany? Moa tsy nampiakariko avy tany Ejipta ve ianareo, tahaka ny nampiakarako ny Filistinina avy tany Kaftôra sy nampiakarako ny Sirianina avy tany Kira?»


Kanefa hisaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika!


Koa raha izaho, dia manao toy ny mpihazakazaka aho ka mikendry ny tanjona; mamely toy ny mpanao totohondry aho ka tsy mikapo-drivotra.


Hatolotry ny TOMPO horesenareo ny fahavalo izay mitsangana hiady aminareo; ka raha lalana iray no handrosoany hiady aminareo, dia lalana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanareo.


Fantaro ankehitriny fa Izaho ihany no Andriamanitra ary tsy misy andriamani-kafa miolotra amiko: Izaho no mahafaty sy mahavelona, Izaho no maharatra sy mahasitrana, ary tsy misy mahafaka olona eo am-pelatanako.


Nakorontan’ny TOMPO teo anoloan’ny Israelita ny Amôrita, ka voan’ny faharesena lehibe teo akaikin’i Gibehôna. Dia nenjehin’ny Israelita teny am-piakarana ho any Bety-Hôrôna ireo, ka nasiany hatrany Hazekà sy hatrany Makedà.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra