Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 13:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Rehefa nijery manodidina azy ny Jodeanina, dia indreo teo anoloany sy teo ivohony ny fahavalo; ka niantso vonjy tamin’ny TOMPO izy. Vao nitsoka trompetra ny mpisorona,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Nony nitodika ny Joda ka indreo, teo alohany sy teo aorianany ny fahavalo, dia nitaraina tamin’NY TOMPO izy, ary ny mpisorona dia nitsoka ny trompetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Rehefa nijery manodidina azy ny Jodeanina, dia indreo teo anoloany sy teo ivohony ny fahavalo; ka niantso vonjy tamin’ny TOMPO izy. Vao nitsoka trompetra ny mpisorona,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Niherika i Jodà ka indro fa nisy mpamely teo anoloany sy teo ivohony. Nitaraina tamin’i Iaveh izy, ary nitsoka trômpetra ny mpisorona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ary nony nitodika ny Joda, ka, indreo, teo alohany sy teo aoriany ny fahavalo, dia nitaraina tamin’i Jehovah izy, ary ny mpisorona nitsoka ny trompetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary nony nitodika ny Joda, ka, indreo, teo alohany sy teo aoriany ny fahavalo, dia nitaraina tamin'i Jehovah izy, ary ny mpisorona nitsoka ny trompetra.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 13:14
12 Rohy Ifampitohizana  

Nitaraina tamin’Andriamanitra izy nandritra ny ady, ka nohenoin’Andriamanitra satria natoky Azy; dia novonjeny ary voatolotra ho eo an-tanany ny Hagrîta sy izay rehetra mpomba azy.


Dia noresen’ny TOMPO teo anoloan’i Asà sy ny miaramila jodeanina ireo Etiôpianina ka nandositra


Nony nahita an’i Jôsafata ireo komandin-kalesy, dia nihevitra azy ho ny mpanjakan’i Israely mihitsy. Dia nohodidininy hasiana izy; kanjo niantso vonjy kosa i Jôsafata, ka namonjy azy ny TOMPO Andriamanitra, ary nampiala ny fahavalo teo aminy.


Noho izany toe-javatra izany dia nivavaka i Hezekià mpanjaka sy i Isaià mpaminany zanakalahin’i Amôtsa, ka niantso vonjy tamin’Andriamanitra.


Dia antsoy amin’ny andro mahory Aho, fa hanafaka anareo ka homenareo voninahitra.


ka tsy misy zavatra atahoranao akory: na ny loza mampihorohoro amin’ny alina, na ny zana-tsipîka manidina amin’ny antoandro,


Natopin’ny Israelita ny masony ka indreny ny Ejiptianina tamy manenjika azy, ary ny Farao dia efa mby akaiky. Raiki-tahotra loatra ny Israelita ka niantsoantso ny TOMPO


«Raha hiantafika hiady amin’ny fahavalo izay mamely eo amin’ny taninareo ianareo, dia hotsofina ny trômpetra sady arahina hoby mba hampahatsiarovanareo Ahy TOMPO Andriamanitrareo hitsimbinako anareo ka hamonjeko anareo ho afaka amin’ny fahavalonareo.


Ary tamin’ny fihodinana fahafito, rehefa nampaneno ny trompetra ireo mpisorona, dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka: –Manaova akoran’ady fa efa natolotry ny TOMPO anareo ny tanàna!


Nony nitodika ireo lehilahin’i Hay, dia nahita fa niakatra ho any an-danitra ny setroky ny tanànany. Tsy nisy toerana handosirany intsony na ho aiza na ho aiza, fa ny Israelita izay nandositra ho any an-taniefitra dia nifotitra hamely ny mpanenjika azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra