Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 10:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Ny Israelita nonina tany an-tanànan’i Joda ihany no nanjakàn’i Rehabohama.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Fa ny Zanak’Israely izay nonina tany amin’ny tanànan’ny Joda ihany no nanjakan’i Rehoboama.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Ny Israelita nonina tany an-tanànan’i Joda ihany no nanjakàn’i Rehabohama.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Ny zanak’i Israely nonina tamin’ireo tanànan’i Jodà ihany, no hany nanjakan-dRôbôama.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Fa ny Zanak’Isiraely izay nonina tany an-tanànan’ny Joda ihany no nanjakan-dRehoboama.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Fa ny Zanak'isiraely izay nonina tany an-tanànan'ny Joda ihany no nanjakan-dRehoboama.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 10:17
8 Rohy Ifampitohizana  

Homeko foko iray ihany ny zanakalahiny mba hisy mandrakariva, ho an’i Davida mpanompoko, taranaka iray hanjaka eo anatrehako any Jerosalema izay tanàna nofidiko hampitoerako ny voninahitro.


Fa ny Israelita nonina tamin’ny tanànan’i Joda ihany no nanjakan’i Rehabohama.


Rehefa tsapan’ny Israelita tavaratra rehetra fa tsy nankatoavin’ny mpanjaka ny fitakiany, dia hoy ny navalin’ireo hoe: –Tsy manana anjara inona amin’i Davida isika na manana anjara lova amin’ny taranak’i Jisay. Samia mody any an-tranony avy isika, ry Israelita tavaratra! Ianao kosa, ry zafikelin’i Davida, karakarao ny fanjakanao. Dia samy nody ho any an-tranony avy ny Israelita tavaratra rehetra.


Ary naniraka an’i Adôrama mpiandraikitra ny asa an-terivozona i Rehabohama mpanjaka; nefa nitora-bato an’i Adôrama ny Israelita tavaratra ka nahafaty azy. Zara raha afa-nitaingina ny kalesiny haingana i Rehabohama mba handositra any Jerosalema.


Vao tonga tany Jerosalema i Rehabohama, dia namory miaramila voafantina miisa vondrona 180 tamin’ny fokon’i Joda sy i Benjamîna mba hiady amin’i Israely avaratra ka hamerina indray io fanjakana io ho an’ny tenany.


Isan-tanàna dia nasiany ampinga lehibe sy lefona avokoa. Ny nanamafisany tsara ireo tanàna ireo no nitazonan’i Rehabohama ny faritr’i Joda sy i Benjamîna ho azy.


–Ambarao amin’i Rehabohama, zanakalahin’i Salômôna sady mpanjakan’i Joda, ary koa amin’ny Israelita rehetra ao anatin’ny faritr’i Joda sy i Benjamîna,


«Ianao, ry ilay taranak’olombelona, makà tapa-kazo iray ka asio soratra hoe: ‹I Joda sy ny Israelita amin’io fanjakana io.› Avy eo, makà tapa-kazo iray hafa ka asio soratra hoe: ‹I Jôsefa (na Efraîma) sy ny Israelita amin’io fanjakana io.›


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra